airtel

Fampianarana

24-mai-2024

Oniversiten’Antsiranana

Atsahatra ny fampianarana noho ny fandalovan-dRajoelina…

Sample post image

Noho ny fahatongavan’ny Filoham-pirenena dia miato ny fampianarana rehetra

24-mai-2024

eto anivon’ny Oniversiten’Atsiranana ny alakamisy 23 mey sy ny zoma 24 mey ». Io no voasoratra anaty taratasy misy fitombokase mena miaraka amin’ny anaran’ny Filohan’ny oniversiten’Antsiranana Pr Briand Kall, izay niteraka adihevitra sy fanehoan-kevitra maro. Tena izy sa taratasy nisy nanamboatra avy taty ivelany ? Toa sarotra ny hino fa tsy tena izy, ary efa fomba fanaon’ny mpitondra na ny olom-panjakana ity manao teritery amin’ny tontolon’ny fampianarana ity mba hatao fitaovana ara-politika. Vao omaly no notaterina teto ireo tranga samihafa toy ny any Befandriana Avaratra noho ny fisiana antsojay mahazo ireo mpampianatra, dia ity koa ny any Antsiranana fa atsahatra ny fampianarana satria mandalo ny Filoha. Marina fa mety misy zavatra tokanana toy ny toeram-ponan’ny mpianatra ka atahorana tsy hisy mpanotrona ve i Andry Rajoelina dia ny mpianatra manontolo no hatao sorona tapahana ny fianarany ? Terena ankolaka mba hanatrika an’ingahy Filoham-pirenena izay hita ho manao propagandy ankolaka any amin’izay alehany? Ilàna averina sy tsiahivina isan’andro ve fa voarara ny fampiandaniana ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny fampianarana, ny tafika, ny fitsarana,… amin’ny politika araka ny andininy faha-39 amin’ny lalàmpanorenana ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Mampiaka-peo manoloana ny olana samihafa miverimberina ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo

Card image cap
24-juil-2024

Anisany mpandray anjara tamin'ny hetsika Madagascar school Fair teny amin'ny Radisson Blu

Card image cap
24-juil-2024

Hafakely ny tranga nandritry ny fanadinana bakalorea tany Ambositra ny andro voalohany,

Card image cap