airtel

Fampianarana

03-nov-2025

Oniversiten’Antsiranana : fambolena rotaka

Niafara tamin’ny faty olona, doro trano,…

Sample post image

Rotaka mahery vaika no niseho tao amin’ny

03-nov-2025

Oniversiten’Antsiranana nanomboka ny alin’ny sabotsy 01 novambra, ka nitohy hatramin’ny omaly. Nandritra izany dia nisy andiana olona mahery fihetsika na “Foroche”, niditra an-keriny tao amin’ny faritry ny Oniversite nanafika ny mpianatra. Araka ny fanazavana vonjimaika azo, naneho ny tsy fankasitrahana manoloana ny fanesorana ireo tsy mpianatra intsony ao amin’ny “Campus Universitaire d’Antsiranana” ireo andian’olona. Namaly kosa ny mpianatra. Vokatry ny fifandonana dia mpianatra roa no naratra mafy, ary iray tamin’ireo mpanafika no voadaroka. Mampalahelo anefa fa tanora iray vao 15 taona, mpianatra ao amin’ny ao amin’ny sekoly Lazaret no namoy ny ainy. Izy dia nivoaka tamin’ny alina toy ny fanaony isan’andro, saingy tsy niverina intsony. Voalaza fa nisy olona nihevitra azy ho mpanao ratsy ka nanafika azy. Na dia tonga ara-potoana aza ny fiara mpamonjy voina, dia tsy voavonjy ny ainy noho ny ratra mafy. Ny iray fokontany tamin’io tovolahy io indray avy eo no voalaza fa isan’ny nanenjana ka nanamafy ny rotaka, fifandratrana, doro trano,… Ny fanazavana tamin’ny pejy ASSEDU-MADA dia nilaza fa nisy andiana olona nanafika ny oniversite mitondra fitaovam-piadiana, ka niteraka horohoro sy savorovory teo amin’ny mpianatra. Voasambotra ny iray tamin’ireo mpanafika, ary niaiky fa voakarama 300 000 Ariary izy ireo mba hamono mpianatra, amin’ny tanjona hanakanana ny fanesorana ireo mpandraharaha sy mpampianatra mipetraka ao amin’ny campus. Misy tompon’andraikitra avy amin’ny Fiadidian’ny Oniversite voatonontonona ho ao ambadiky ny raharaha, ary mandeha ny resaka fa misy baiko avy amin’ny mpitondra ambony teo aloha hanakorontana ny toe-draharaha. Tafiditra ao anatin’ny lonilony amin’ny fitantanana ny toeram-ponenan’ny mpianatra ihany koa, izay voalaza fa ahitana ampihimamba sy kiantranoantrano. Ny fanadihadiana lalina moa no tena hamoaka ny marina ao anatin’izao, fa efa nidina any an-toerana ny manam-pahefana. Hatramin’ny omaly hariva, mbola nangotraka ny toe-draharaha. Nitohy ny fanafihana ny fonenan’ny mpianatra, nisy fandorana, ary maro no voatery namoaka entana sy nanavotra izany. Manamafy ireo mpianatra fa tsy hihemotra amin’ny fitakiana ny zony, ary miantso ny tompon’andraikitra rehetra handray andraikitra hentitra manoloana ity raharaha ity, satria ahiana hiteraka fifandrafiana sy fizarazarana eo amin’ny mpianatra. Tsy nitazam-potsiny ny fitondram-panjakana, fa nandefa delegasiona ambony any an-toerana, tarihan’ny Kolonely Rabearimanana avy amin’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, miaraka amin’ny Minisitry ny Fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa Ravonimanantsoa Manda-vy sy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr Managna Monirah, hijery ny vahaolana amin’ny toe-draharaha. Efa somary nilamindamina ny toe-draharaha omaly alina, efa samy namotsotra ireo olona azony babo na ny andaniny na ny ankilany. Misy finiavana hamboly ady an-trano noho ny lonilony ara-politika samihafa ka hatao izay hanakorontanana ny Fanjakana?
Toky R

 

Dans la même rubrique