Nahenoana izany tranga izany indray ny eo anivon’ny oniversite-n'i Maninday Toliara ao amin’ny sampana lalàna. Araka ny loharanom-baovao azo dia misy mpampianatra lalàna mitaky firaisana ara-nofo amin'ny mpianatra ao amin’ity oniversite iray ity raha te-hahazo naoty tsara ireo mpianatra vehivavy. Azo lazaina ho manana ny maha-izy azy io mpampianatra io raha ny fahalalana hananany. Sady mitazona ny mpianatra ao amin’ny taona voalohany mantsy izy no mitazona mpianatra ao amin’ny taona fahatelo ihany koa. Mahafehy lalam-piofanana maro ihany koa izy ka afaka mandresy lahatra mpianatra tsara. Efa misy moa ny fanadihadiana mikasika io tranga io hataon’ny transparency International any Toliara amin’izao fotoana izao, indrindra fa ao amin'ny sampana lalana. Raha araka ny fantatra moa dia efa tratra nitondra mpianatra tany amin'ny chambre tao anatin'ny fotoana fitsarana fanadinana ity mpampianatra iray ity. Vao mainka niitatra ihany koa ny raharaha satria tonga tany am-poto-tsofin’ilay tovolahy sakaizan’io tovovavy lasibatra io ny feo ka milaza ny hitory iretsy voalohany sy ny fianakaviany.
Nangonin’i Pati
Nanomboka ny sabotsy 03 jona teo ny ilay “Cours maimampoana” atolotry ny depiote Todisoa Andriamampandry ho an’ireo tanora ao amin’ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo Renivohitra.