omaly alatsinain'ny paska 21 aprily 2025, manoloana ny ambaran'izy ireo fa tsy fisian-jiro sy ny tsy fahazoana vatsim-pianarana. 5 andro ny fahatapahan-jiro tsy an-kijanona tao amin’ny Campus nandritra, ankoatra ny filazan'ny mpianatra fa tara ny fizarana vatsim-pianarana sy fampitaovana na "équipement", efa ho enim-bolana izao. Nanao hetsika am-pilaminana izy ireo omaly: nanakatona ny franchise universitaire, nitondra sora-baventy, ary nandoro kodiana, ho fanehoana ny tsy fandeferan’izy ireo intsony amin’ny ambarany fa tsy firaharahiana. 24 ora monja no omena ny tomponandraikitra mba hamerenana ny jiro ao amin’ny Campus sy hamoahana avy hatrany ny vatsim-pianarana sy fampitaovana 5 volana tsy mbola azo. Raha tsy tanteraka izany dia mitohy ary hihamafy ny hetsika, hoy ireo mpianatra. Nitaraina ho tsy omena lanja, ka mahatsiaro ho very zo sy tsy voakarakara, raha oharina amin’ny mpianatra amin’ny Oniversite hafa izy ireo Nanao antso avo amin’ny fanjakana, mba hijery sy hamaha haingana ity toe-javatra mampitaraina ity. Raha hiverenana, natomboka ny 07 aprily 2025 tao amin’ny Sekoly Ambony Politeknikan’Antananarivo ao Vontovorona (ESPA) ny fizarana ny vatsim-pianarana telo volana miampy fampitaovana ho an’ny mpianatra ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Nandritra io no nilazan'ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla, fa nisy fandaminana vaovao nampiharina tamin’ny fikarakarana ny famoahana ny vatsim-pianarana ka nokirakiraina isaka ny oniversite ny antontan-taratasy. Andrasana ny tohiny !
Toky R
Mpampianatra teny anglisy maherin’ny 100 no nandray anjara tamin’ny fiofanana iraisam-pirenena
Nasiam-panavaozana ny efitranon- tsekoly maromaro ao anatin’ireo sekoly ambaratonga