ny Ekipa FOSA avy amin'ny ITU
Anisan’ireo firenena 10 manana ekipa robotika tsara indrindra aty Afrika i Madagasikara. Tafita hiatrika ny dingana famaranana amin’ny fifaninanana Pan African Robotics Competition (PARC) 2026 ny ekipan’ny FOSA, izay ahitana mpianatra avy ao amin’ny IT University. Taorian’ny fahombiazana tamin’ny dingana voalohany amin’ity fifaninanana ity dia tafiditra ao anatin’ireo ekipa 10 mendrika indrindra manerana ny kaontinanta afrikanina ny ekipan’ny FOSA. Hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny dingana famaranana izay hotanterahina any Dakar, Sénégal, anio 3 ka hatramin’ny 7 novambra 2026 izy ireo. Ao amin’ny sokajy « Engineers League » no hifaninanany. Misy ny fanohanana avy amin’ny YAS Madagascar sy ny Ethiopian Airlines amin’ny fandraisan’anjaran’ny ekipan’ny FOSA amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity. Eo ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka sy mpanohana hafa. Fifaninanana iray ahafahan’ny tanora Malagasy maneho ny fahaiza-manaony, ny talentany ary ny fahafahany mamorona sy manavao eo amin’ny sehatry ny robotika sy ny teknolojia izany. Dingana iray lehibe ihany koa amin’ny fampisongadinana ny fahaiza-manaon’ny tanora Malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Arahabaina ny ekipan’ny FOSA noho izao fahombiazana izao, ary mirary soa azy ireo amin’ny dingana famaranana any Sénégal. Endrika maneho sy manamafy fa mahay isika Malagasy. Anisan'ny oniversite sangany amin'ny tontolon'ny nomerika sy ny informatika ary ny robotika ny IT University izay tsy vao sambany no nanana solontena namiratra tamin'ny fifaninanana Iraisam-pirenena goavana tahaka izao. Alefa FOSA! Alefa Madagasikara !
Toky R