airtel

Fampianarana

12-mars-2021

Fampianarana

“Pôle Stage Madagascar” Fanohanana ireo mpianatra hiditra amin’ny sehatry ny asa

Sample post image

Tontosa omaly tetsy amin’ny Le Centell Antanimena ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny fandaharan’asa “Pôle Stage Madagascar”:

12-mars-2021

 

 

  Tambazotra novolavolain’ny SIM (Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara) izy ity ary iarahany miasa amin’ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana ary koa ny Minisiteran'ny Asa, ny Fampanana Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy. Ny fandaharan’asa “Pôle Stage Madagascar” dia tambazotra iray natokana ho an’ireo tanora mpianatra izay hiditra eo amin’ny sehatry ny asa ary hanatanteraka ny fizaran-draharaha arak’asa na ny “stage professionnel”. Dingana iray mizotra makany amin’ny tontolon’ny fandraharahana lalovan’ny mpianatra rehetra ny fizaran-draharaha arak’asa ahafahany mamantatra lalina kokoa ny mikasika ny firafitry ny orinasa iray. Ny “Pôle Stage Madagascar” ihany koa dia fitaovana iray entina hanampiana ireo mpianatra hanamafy ny fahaiza-manaon’izy ireo eo amin’ny sehatry ny asa sy manamora ny fifandraisan’ny tolotra sy ny tinady manodidina ny fizaran-draharaha arak’asa eo amin’ny orinasa sy ireo mpianatra ary mitondra fanatsarana eo amin’ny fananan’asa. “Ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana dia mandray anjara feno ao anatin’ny fametrahana ny “Pôle Stage Madagascar” ary andraikitry ny minisitera ny manentanana ary manetsika ireo orinasa amin’ny sehatra tsy miankina hanome tànana amin’ny fampandrosoana ny tontolon’ny fandraharahana”, hoy ny Minisitra Rakotomalala Lantosoa. Nomarihina tamin’ny fanaovan-tsonia fifanarahina teo amin’ny telo tonta ny fanolorana ity “Pôle Stage Madagascar” ity.

Nangonin’i Jean D.

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Nisy ny tenimita na naoty navoakan’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana Ara-tsiansa ny 22 martsa 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Mitohy ny hetsika fanentanana ny mpianatra momba ny Fehezam-pitsipika misahana ny fikoloam-pahasalamana

Card image cap