airtel

Fampianarana

01-oct-2026

POLITEKNIKA

VONTOVORONA

Sample post image

Hohatsaraina ny fifandraisan’ny

01-oct-2026

mpianatra sy ireo orinasa mpiara-miasa
Hohatsaraina ny fifandraisan’ireo mpianatra eo anivon’ny Oniversite Politeknika Vontovorona sy ireo orinasa mpiara-miasa aminy hahafahan’izy ireo mivelatra sahady eo anivon’ny tontolon’ny asa sy manao fikarohana hatrany. Ao anatin’ilay hetsika Mention SIM na ny Science et Ingenierie des Materiaux no hanatontosana izany.Nosokafana tamim-pomba ofisialy ny 29 Septambra teo ny herinandron'ny mention SIM ao amin’ity oniversite iray ity. SIM in-inovation 2.0 2026 no anarana nampitondraina izany. Tanjon’ny hetsika hoy ny Filohan'ny mpianatra ny hampitomboana ny fifandraisan'ireo mpianatra sy ireo orinasa mpiara-miasa. Tsy latsa-danja amin’izany ny fanatsarana ireo foto-drafitrasa izay tokony hihavao hatrany manaraka ny fivoaran’ny toetr’andro. Hampiavaka ity andiany iray ity noho izany ny fisian'ny fifaninana tetikasa na ny concours de projet sy réception handraisana ireo mpianatra vaovao. Fantatra moa fa ho hita mandritra ity herinadron'ny SIM ity ihany koa ireo karazana hetsika samihafa toy ny fampirantiana hataon'ireo mpanohana sy mpiara-miasa samihafa, ny kaonferansa sy lalao ara-panatanjahantena...Tsara ny mampahatsiahy fa feno 25 taona katroka ny nisian'ity mention iray ity teny anivon'ny oniversite Politeknika Vontovorona. Efa notanterahina tamin'ny taon-dasa ny fanokafana ny fankalazana ary natao ho tsangambaton'izany ny fananganana foto-drafitrasa. Maro ireo mpianatra misafidy sy liana amin’io mention io amin’ny ankapobeny noho izy hahafahana mahita asa haingana avy hatrany sy tsy mitsaha-mivoatra. Tsy maintsy manana ny mari-pahaizana bakalorea siantifika kosa anefa na ny sokajy C sy D izany.
Pati
Legende : Ireo tompon’andraikitra tonga teny an-toerana !
 

Dans la même rubrique

28-sept-2026

Miakatra ny oran’ny taranja siantifika,

Card image cap
28-sept-2026

Namoaka mpianatra miisa 196

Card image cap