airtel

Fampianarana

18-févr-2021

Fampianarana

Polyteknika Vontovorona Nihamafy ny fifandonana omaly

Sample post image

Nitohy ary nihamafy ny hetsiky ny mpianatra teny amin’ny Sekoly Ambony Polyteknika Vontovorona omaly,

18-févr-2021

 

 ary naharitra adin’ny 6 teo ho eo ny fifandonana. Zandary roa no voalaza fa naratra tamin’ireo am-polony lasibatra tamin’ny fifanandrinana. Naneho tsy fahafaham-po tamin’ny valin-tenin’ny manam-pahefana mikasika ny famahana ny olana ny mpianatra. Tamin’ny 8ora maraina dia efa raikitra ny fifamondronana, nifanindran-dàlana tamin’ny fifampiresahana tsy nahomby. Nidina an-dalambe indray, nanao sakan-dàlana tamin’ny vato, nandrehitra kodiarana. Tonga teny amin’ny 1km nisy ireo mpitandro ny filaminana mihitsy ireo mpianatra, ka nafana indray ny fifampitorahana vato sy lakromozenina. Niditra tany amin’ny faritry ny sekoly avy sekoly izy ireo, teo nanamafy ny tora-bato ka naharatran’ireo zandary. Manitrikitrika ny mpianatra fa ny volana nitsahina no nandraisana ny vatsim-pianarana hatramin’izay, ka mitaky ny 4 volana izy ireo. Ohatry ny tranon-kisoa ihany koa ny trano ao anatin’ny Campus, hoy izy ireo,… Tamin’ny 3ora tolakandro no niverina ireo iraka nandeha nihaona tamin’ny Minisitera. Tsy nahafa-po anefa ny valiny avy any, ka dia niverina nihamafy ny tora-bato. Tamin’ny 4ora sy sasany tolakandro mbola nifanjevo ny mpitandro filaminana sy ny mpianatra. Mbola vao atao ny fampidirana anaty solosaina ny mpianatra ny Minisitera, izay tafiditra anatin’ny fanadiovana, raha ny fanazavana ho an’ny ankilany. Miantso ny hananganana “task force” ahitana ny solontenan’ny mpianatra ny manam-pahefana, ary manome toky amin’ny tsy hisian’ny fahataran’ny vatsim-pianarana aorian’ny fahavitan’ny fanadiovana ny lisitra. Hatreto, mbola mihenjan-droa izany ny tady, tsy mety milamina ny toe-draharaha.

 Toky R

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Tsy handalo fotsiny ihany ny fahatsiarovana ny faha-77 taonan'ny tolom-panafahana 1947

Card image cap