Taorian'ny fanambarana nataon'ny mpianatry ny Sekoly Ambony Politeknika eny Vontovorona, ny zoma teo nanome 72 ora hamahana ny olan'ny herinaratra, rano, trano fidiovana dia nidina ifotony nihaona sy nifampiresaka tamin'izy ireo ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy, ny sabotsy teo. Niaraka taminy tamin'izany ny solontenan'ny Minisiteran'ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana, ny ekipan'ny Jirama ary ny avy ao amin'ny CROU-A. Nambaran'ireo mpianatra nivantana tamin'ny Minisitra ny olana sedrainy sy ny fitakiany, ary niaraha-nandinika ny vahaolana azo tanterahina. Eo amin'ny lafiny famatsiana herinaratra dia an-dalam-pananganana ny tobim-pamokarana azo avy amin'ny herin'ny masoandro hamatsy ny Sekoly ambony ao Vontovorona. "Onduleurs" sy takela-masoandro 2600 no efa mipetraka raha toa ka efa ao Mandroseza ihany koa ny vata mpanova herinaratra. Hanomboka amin'ny faramparan'ity volana Jolay ity ny fitaritana ny zotra miainga eny amin'ny toby famokarana herinaratra mankeny Vontovorona. Nangataka tolo-tanana avy amin'ireo Mpianatra ao amin'ny Departemanta Génie électrique ny Jirama amin'ny fanatanterahana ny tetik'asa. Hisy ny fametrahana "bonbonnes" amin'ity herinandro ity hamahana olana ny lafiny famatsian-drano. Anisan'ireo fanapahan-kevitra noraisina ihany koa ny hanafainganana ny fanamboarana ireo toeram-pidiovana, ny fanarenana ireo trano simba, ny fanamafisana ny tamboho manodidina ny Sekoly, ny fametrahana mpiambina ary ny fandrindrana ny fidirana sy ny fivoahana ao amin'ny toeram-pianarana.
Jean D.