ny vita teny Iavoloha farany teo dia ny mba hirosoana amina vahaolana tsy hisian’ny korontana eto amin’ny firenena intsony, hoy ny sekretera nasionaly misahana an’Antananarivo eo anivon’ny antoko politika AREMA, Pr Ange Andrianarisoa. Izao, hoy izy, no ilàna ny fifampitsikeràna, fifampidinihana, fifampiresahana. Tazonina ny efahita fa tsara. Alavirina kosa ny ratsy ary mila hifanatrehana imaso imaso izany. Vokatra andrasana atsy ho atsy izany dia hoe mba tsy hisy intsony ny hala-bato rehefa fifidianana na fanakantsakanana sy faneriterena amin’ny safidy. Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika amin’ny alalan’io karapanondro biometrika ity. Miezaka io ny fitondràna manao ilay hoe PRODIGI na «Identité digitalisation», izany hoe atao nomerika daholo, araka ny tokony ho izy, ny mombamomba rehetra amin’izay na any Antsiranana azy ianao dia afaka mifidy any nefa eto Antananarivo no mipetraka. Tsy hisy afaka hangalatra ny maha izy anao intsony. Ilaina atao tomombana io eny anivon’ny fokontany sy kaominina ka tokony tohizana. Tokony atao araka ny tokony ho izy izany rehetra izany mba tsy hiverenan’ny korontana intsony. Maika io fananàn’ny olompirenena karapanondro biometrika io, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija