airtel

Fampianarana

17-août-2023

Fampianarana

Pr Jonah Ratsimbazamby Notolorana “Honoris Causa”

Sample post image

Notolorana ny diplaoma “Docteur Honoris Causa” mariboninahitra lehibe eo amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny Pr Jonah Ratsimbazafy,

17-août-2023

omaly 16 aogositra 2023 teny amin’ny Fakiliten’ny Siansa, Oniversiten’Antananarivo. Fankasitrahana lehibe nomen’ny Oniversiten’Antananarivo azy noho ny asa sy fikarohana maro nataony momba ny zava-manan’aina, indrindra fa varika, izay isan’ireo harena tsy manam-paharoa, tsy misy afa-tsy eto Madagasikara io. Naneho moa io mpikaroka malaza izay tsy eto ihany fa hatrany amin’ny sehatra iraisam-pirenena io, fa tena ao anatin’ny ady ny olon’ny siansa rehetra amin’izao eo anatrehan’ny tsy firaharahiana sy tsy fandraisana andraikitra, izay loharanon’ny fahantrana sy ny fijaliana. Nahafahany nizara ireo zavatra nolalovany sy nosedrainy teo amin’ny asany ihany koa io fotoana io, izay tsy mora ny làlana nahatongavana tamin’ny vokatra samihafa. Tsara no mampahatsiahy, fa efa nahazo ny loka sy fankasitrahana goavana momba ny fahavitana fikarohana eo amin’ny tontolon’ny varika ka nibata ny “African Primatological Society Lifetime Achievement” I Pr Jonah Ratsimbazafy ny taona 2019, izay nahitany ny karazana varika na ragidro madinika kely Microcebus Jonahi, izay nalaina tamin’ny anarany. Tsara no manamarika fa izy no Filohan’ny GERP (Groupe d’Etude et de Recherche sur les Primates de Madagsacar) ; Filoha lefitry ny Primate Spécialist Groupe Section Madagascar ; Filoha lefitry ny IUCN SSC Faune de Madagascar-Directeur de Huston Zoo, Programme Madagascar ; mpikamban’ny AAS (African Academic of Sciences); ao anatin’ny TWAS (African Academic of Sciences); Filohan’ny IPS (International Primatological Society),…
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Tontosa ny 14 may teo ny varavarana misokatra ho an’ny oniversiten’i Vakinankaratra,

Card image cap