airtel

Fampianarana

15-avril-2024

Pr Raoelina Andriambololona

«Potika sa potehina ny sehatry ny fampianarana?»

Sample post image

Ilaina atao laharam-pahamehana ny fampianarana raha tiana ny handroso, hoy ny Pr Raoelina Andriambololona,

15-avril-2024

mpampianatra mpikaroka, nampianatra teny amin’ny Oniversite an’Antananarivo nanomboka ny taona 1968. Ny fikarohana momba ny fizika nokleary moa no tena nampalaza ity manam-pahaizana ity nanerana izao tontolo izao, raha tsiahivina. Isan’ny nanorina ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra na SECES izy ny taona 1970. Nanorina ny «Institut national des sciences et technique nucleaire» na ivon-toerana nasionaly momba ny siansa sy tekinika nokleary teto Madagasikara tamin’ny fitondrana Philbert Tsiranana. Ankehitriny izy dia «Maitre de conférence» sy «Professeur titulaire» voasokajy ho ela nietezana indrindra ary amin’ny laharana ambony indrindra amin’ireo Profesora eto Madagasikara. Potika sa potehina ny sehatry ny fampianarana mba hanabadoana ny zanaka malagasy, hoy ny fanontaniana apetrany?

Isan’ny nanaovany tsindrim-peo fa ny tsy fanomezana hasiny ireo mpampianatra sy mpikaroka, izay raha nisy ny nisafidy nandeha niampita ranomasina noho ny antony manokana dia nomena tsiny, ka mba inona ary no natao an’ireo nijanona ? hoy hatrany ny Pr Raoelina Andriambololona.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Mampiaka-peo manoloana ny olana samihafa miverimberina ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo

Card image cap
24-juil-2024

Anisany mpandray anjara tamin'ny hetsika Madagascar school Fair teny amin'ny Radisson Blu

Card image cap
24-juil-2024

Hafakely ny tranga nandritry ny fanadinana bakalorea tany Ambositra ny andro voalohany,

Card image cap