airtel

Fampianarana

06-déc-2021

Fampianarana

Prof Jonah Ratsimbazafy “Mba henoy ihany ny mpikaroka”

Sample post image

« Ny Filoha Paul Kagame tena mihaino ireo siantifika ao aminy eo amin’ny fitantanana ny fireneny... Vao nanomboka mihitsy ny coronavirus dia anisan'ny nanakatona haingana ny fizahantany tany Rwanda ny Filoha Kagame.

06-déc-2021

 Anisan'ny miriborobo ny fizahantany any noho ny fisian'ireo Gorille de Montagne », hoy ny fanehoan-kevitr’i ny Prof Jonah Ratsimbazafy tao amin’ny tambajotran-tserasera. Nitondra fanazavana ara-tsiantifika izy ka naneho, fa amin'ny maha primates ireo Gorille ireo dia tsy mifanalavitra amin’ny olombelona ny tahiri-tazazon'izy ireo (chromosomes). Ohatra: ny an'ny Bonobo sy ny olombelona dia kely fotsiny no mampiavak'azy, hoy izy. Noho izany dia mora mifamindra aretina ny « primates humains » (olombelona) sy ny « primates non-humains » (singes, lémuriens). Anisan'izany ny Ebola, Sida, Tuberculose,…. Ny 70% aretin'olombelona, hoy izy, dia azony avy tamin’ny biby daholo (zoonose). Fantry ny Filoha Kagame tsara fa vita ny fizahantany malaza any Rwanda raha voan'ny coronavirus ny Gorille ka aleony narovana tamin’ny fanakatonana malaky ny fizahantany izany. Teto amintsika dia efa antsoantso be toa inona vao nasiana fihaonana momba ny hiarovana ny varika satria raha sanatria ka mety ho tratry ny coronavirus ny lémuriens dia vita koa ny fizahantany teto. Ny zavatra toy izany no tokony mba hiainoana ny mpikaroka fa tsy hoe ny olombelona aloha no jerena fa miandry ny varika, kanefa ilay lémuriens sy olombelona efa mifandray eto, hoy izy izay naneho fa anisan'ny miteny eto Madagasikara satria misy tompon'andraikitra any ambony mihitsy no tsy manome lanja loatra ny mpikaroka eto Madagasikara. Mankalaza ny faha 60 taona nisiany izao ny Fakiolte siansa eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, ka heverina fa mba hohenoina amin’izay izy ireo, hoy ny Prof Jonah Ratsimbazafy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap
24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap