airtel

Fampianarana

23-févr-2021

Fampianarana

Rabekoto Harivola Sangany tamin’ny fanadinana bakalorea 2020

Sample post image

Mpianatra eto Antananarivo Faritra Analamanga Rabekoto Harivola. Izy no nahazo naoty ambony indrindra tamin’ireo mpiadina bakalorea 2020 nanerana ny Nosy.

23-févr-2021

 

 

 

 Sokajy ankapobeny, “série C” izy. 17,62/20 ny salanisa azony tamin’ireo taranja niadinana rehetra. Hanohy fianarana any Etazonia Rabekoto Harivola ary hiantoka vatsim-pianarana ho azy amin’izany ny Fondation Siteny, tarihin’ny solombavambahoaka Andrianasoloniaiko Siteny. Anisan’ireo mpianatra mendrika misitraka fanampiana avy amin’ny Fondation Siteny ihany koa Ravelomanato Jean Borda avy any Vangaindrano. Afaka bakalorea “série A2” izy tamin’ny 2019 ary nahazo salanisa 16,11/20. Nanohy niatrika fanadinana bakalorea i Jean Borda ny taona 2020 fa niova sokajy “série C” ary mbola afaka soamantsara ; nahazo salanisa 16,30/20. Noraisin’ny ekipany British School nanamafy ny fianarana teny Anglisy mialoha ny handehanana any Etazonia i Harivola.

Jean D.

 

Dans la même rubrique

26-mars-2024

30 taona nanabeazana zana-bahoaka teny Ambohimanarina sahady ny lisea tsy miankina Edenah.

Card image cap