Loi d’orientation du système éducatif à Madagascar», hoy ny vovonana Vonjeo ny fampianarana!. Depiote miisa 13 amin’ny 163 no nandany izany, hoy ny mpitarika ny hetsika, Dr Geneviève Ramakavelo. Izay no eken’ny governemanta sy efa manomboka ampiharina, hoy izy. Ny kaomisionina momba ny fanabeazana ao amin’ny antenimiera aza tsy nahalala izany akory. Efa misy ny sosokevitra fanatsaràna ny fampianarana voaray ao amin’ny tranokalam-pifandraisan’ny vovonana saingy aleo atambatra ny rehetra rehefa voahangona daholo. Mety hisy ny foraoma mikasika izany amin’izay fotoana izay ary izay no hanentanana ny rehetra hoe inona no vahaolana dia andao hifanome tanana amin’izay hijerena izay rafi-pampianarana tena mendrika ny zaza malagasy. Maninona tamin’ny andronay tsy nisy izany laza adina nivoaka nialohan’ny fotoana izany fa izao no lasa izany? Ny tena olana koa dia tsy olona ao anatin’ny tontolon’ny fanabeazana ilay minisitry ny fanabeazam-pirenena fa manana fahaizana be dia be izy saingy tsy ao anatin’izany ny fampianarana. Mety isan’ny mampandringa ilay toe-draharaha izany satria tsy fantany hoe inona ilay pedagojia sy psikolojia? Izay nefa no tena fototra any amin’ny ambaratonga fototra satria any aloha vao tonga any amin’ny oniversite ny ankizy. Tsy tafavoaka rehefa ratsy ny fototra nefa. Tombony amin’ny CEPE ankehitriny angamba dia hoe mba manana diplaoma ilay ankizy fa ny ankoatran’izay tsy fantatra. Ny zanantsika izao ohatran’ny olona miandry baiko daholo satria nampianarina hoe «aza». «Aza miakatra eo!», «Aza manao an’izao!», «Aza mankany!» fa tsy nampianarintsika hoe inona no anton’izany? Ao anatin’ny pedagojia daholo ny fampianarana ny maha izy azy ny mpianatra. Ao anatin’izay koa ny hoe fampiofanana ny mpampianatra. Be dia be nefa ny mpampianatra tsy nahazo fampiofanana. Tokony hahafahana mampiofana ny mpampianatra sy mpanabe rehetra ny volan’ny minisitera. Isan’ny tsy mazava ao amin’ilay LOSEM izao ny andininy faha 130 milaza hoe «Les conditions de recrutement des enseignants dans l’enseignement privé sont établie par voie réglementaire.». Aiza izay «voie réglementaire» na fitsipi-dalàna omen’ny fanjakàna tsy maintsy manao hoe ohatrotran’izao no tsy maintsy mpianatra any aminareo? Izy amin’io efa miteny hoe LOSEM no ampiasaina. Miteny izy hoe «Un organisme public crée selon la législation et la réglementation en vigueur est chargé de la gestion de l’enseignement privé.». Aiza io «organisme public» na rafi-panjakàna io? Ny andininy faha 22 hoe «l’Etat organise l’accès aux apprenants, aux écoles, aux établissements d’enseignements et de formations en mettant en place les politiques de cartes scolaires.». Tsara ilay hevitra fa avy eo dia hoe «Les dispositions du présent article sont précisé par voie réglementaire.». Tsy avoaka miaraka eo akory anefa izany «voie réglementaire» na fampanarahan-dalàna izany ho ampiharina. «L’Etat s’engage à promouvoir l’exclusivité du système éducatif.». Miditra ao daholo izany nefa avy eo hoe «Les modalités d’applications de ces dispositions se définis par voie réglementaire en conseil de gouvernement.». Inona izany no dikan’ity LOSEM ity? Miteny nefa izy hoe ajanona ny PSE fa LOSEM no atao. Tsy misy fanazavàna mihitsy hoe inona ilay fampanarahan-dalàna mifanaraka amin’ny fanapahan-kevitra? Mila foanana, noho izany, ny lalàna momba ny LOSEM dia tena mila foraoma vaovao mihitsy iaraha-mijery rafi-pampianarana vaovao mifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny, hoy hatrany izy ireo.
Nangonin’i J. Mirija
Mandeha ny fampitam-baovao ankehitriny fa nahena ho an-tsasamanila avokoa ny