airtel

Fampianarana

05-mars-2021

Fampianarana

Rafitra LMD Mety amin’ny Malagasy ve ny fampiharana azy ?

Sample post image

11 taona lasa teo, izany hoe teo anelanelan’ny taona 2008 – 2009, izay no nanomanana

05-mars-2021

 

 

 

 ny fidirana tamin’ny rafim-pampianarana ambony LMD na “Licence Master Doctorat” ho an’ny oniversite Malagasy, tamin’ny alalan’ny Oniversiten’Antananarivo. Ny taona 2013 kosa no nirosoana tamin’ny fomba ofisialy izany ho an’ireo oniversitem-panjakana. Talohan’izay moa dia ny rafitra mahazatra na “Système classique” no narahana, izay nahitana ireo dingana sy diplaoma mahazatra, ankoatry ny bakalorea, izay diplaoma voalohany iantohan’ny oniversite na “1er diplôme universitaire”, manomboka any amin’ny DUEL na DTS na DEUG sy ny hafa rehetra ho an’ireo nahavita taona faharoa. Izay vao “Licence” ho an’ny nahavita taona fahatelo. Ny “Maitrise” avy eo ho an’ny fahaefatra. Ny DEA ho an’ny fahadimy vao Doctorat ho an’ireo nahavita 8 taona. Ny Licence sy Doctorat ihany sisa diplaoma tafajanona rehefa LMD fa misolo na mivondrona ho “Master” kosa ny Maitrise sy DEA, izany hoe tsy misy diplaoma ho an’ireo nahavita fianarana 4 taona na dingana “Master I” fa rehefa mahavita ny dingana “Master II” vao mahazo izay diplaoma izay.

Samy hafa ny LMD Anglisy sy frantsay

Faramparan’ny taona 1990 no efa niomana ny hiditra amin’ity rafitra vaovao takian’ny fanatontoloana ity ireo tany mandroso. Ry zareo firenena miteny anglisy toa an’i Etazonia, Kanada, Angletera, Australie no nanomboka izany tamin’ny alalan’ny maodely mbola ahitana ny antsoina hoe “Magister” sy “PHD” ho an’ireo nahavita taona fahadimy sy fahavalo. Ny PHD moa dia teny anglisy midika amin’ny teny frantsay hoe “Doctorat en philosophie”. Nanaraka avy eo ireo tany miteny frantsay, izay mbola ahitana ny antsoina hoe “Doctorat de 3e cycle”. Ho an’i Madagasikara manokana dia nofaritan’ny lalana hanaraka ny rafitra frantsay isika. Mila fampitaovana maro sy tetibola be lavitra noho ny nampiasaina tamin’ny rafitra teo aloha ary olona mahay azy ny Fidirana anaty LMD, raha ny fehin’ireo fanehoan-kevitra sy fanazavan’ireo mpitantana samihafa amina oniversite miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ary mbola mampametra-panontaniana hatramin’izao hoe mety amin’ny Malagasy ve ny fampiharana azy? Nanomboka tany amin’ny taona 1972 no nisian’ny fihetsiketsehana teny amin’ny oniversiten’Antananarivo na “Fondation Charles de Gaulle” teo aloha noho ny resaka rafi-pampianarana sy fitantanana. Nanomboka teo ka hatramin’izao dia tsy mitsahatra ny miha sarotra ny fanodinana ny oniversitem-panjakana manerana ny nosy satria tsy mety tonga ara-potoana mihitsy ny fampitaovana sy vatsim-pianarana, izay voamarina hatrany hoe tsy ampy aza noho ny fidirana amin’ity rafitra vaovao ity. Miha taraiky hatrany ny taom-pianarana ary tsy andro atoandro ihany fa manomboka hitokonan’ireo mpianatra koa ankehitriny, toy izay hita teny Vontovorona farany teo, ny andro alina. Ny an-drizareo mpianatra mpitsabo moa niampy ny resaka sara-pizaran’asa na “allocation de stage” izay fitakiana izay. Santionan’ireo fanehoan-kevitra.

 : Pr Rakoto David Olivaniaina, rektoran’ny oniversite ESUM Ambohintsaina

 “Azo lazaina ho marina ihany ny filazana fa tampoka tamintsika ny fidirana tao anaty rafitra LMD. Ny anekena izay dia hoe fohy ny fotoana nidirana tao anatiny satria raha any amin’ireo firenena mandroso dia efa am-polo taonany maro no nikarakarakana azy vao niditra tao ry zareo. Heveriko fa efa betsaka ny resaka nifanaovana mahakasika an’io sy ny fampianarana natao momba azy satria efa nisy fiofanana maromaro natrehin’ny mpampianatra dia avy eo moa tsy maintsy nirosoana tany amin’ny taona 2013 tany. Tsy ny fotoana nanomanana, noho izany, no tsy ampy fa ilay mbola maha zava-baovao azy izay mitarika fitavozavozana na fahatahorana eo amin’ny fampiarana. Ilay rafitra LMD koa manahirana satria misy mihevitra fa fizarana ho 6 volana in-droa ilay fampiofanana fotsiny na hoe “semestrialisation” izany. Tsy izay fotsiny anefa fa lasa vitsivitsy kokoa ny fotoana ianarana any am-pianarana ao anatin’ilay LMD. Ny fotoana anaovan’ny mpianatra fikarohana ivelan’ny fampianarana no tena betsaka. Tsy maintsy mila tan-tsoroka toy ny tranomboky izay ampy boky, noho izany, ilay mpianatra ary boky manaraka ny toetr’andro. Mila aterineto be fisosa na “internet haut debit”. Mila tetibola betsaka kokoa noho ny teo aloha noho izany ny fampiharana azy. Raha ny tetibolan’ny oniversite anefa no jerena dia tsy dia misy fiovana loatra. Efa ampiharina anefa ilay LMD izay mila fampitaovana, vola, olona mahay ilay izy. Mijanona eo amin’ny fizarana ho 6 volana in-2, noho izany, hatreto ilay rafitra LMD fa tsy mbola tena manaraka ilay rafitra amin’ny maha LMD azy.

 

 : Pr Sammy Gregoire Ravelonirina, filohan’ny na SECES Antananarivo, lehiben’ny sampana Matematika, Ankatso.

 “Ny fiovan-drafitra nanomboka tany amin’ny taona 2013 – 2014 dia ny fidirana tsy fidiny ary tampoka tao anatin’ilay antsoina hoe rafitra LMD dia mamela tarazo ho an’ny fampianarana amin’ny ankapobeny. Ny frantsay izay fakan’ny Malagasy ohatra foana matetika dia naka fotoana tetezamita, ny sasany 7 taona, ny sasany 13 taona vao niroso tamin’ny rafitra LMD. Isika teto Madagasikara tonga dia nijoboka, araka ny fitenin-jatovo. Tsy maintsy mamela takaitra eo amin’ny fampianarana izay tsy fiomanana izay. Na ny ho enti-manana, ny fitaovana, ny boky, ny rehetra dia tsy ampy hiatrehana ilay fiovan-drafitra. Mitaky fahafehezana serasera ny LMD. Isany ny aterineto be fisosa. Eo koa ny fampitaovana. Ny mpianatra tsy manana “tablette”, ny mpampianatra tsy manana “video projecteur” ahafahany manome “cours”, tsy ampy ny solosaina, antitra ny foto-drafitrasa. Na mandeha lava-piringa aza dia mamofona be satria tsy misy rano ety mandrak’ity ny anio. Ny jiro moa iaraha-mahalala ny aretin’ny Jirama. Iainan’ny oniversite miankina sy tsy miankina io ary mampihena ny lentam-pahaizan’ny mpianatra. Raha ny toerana misy an’i Madagasikara ankehitriny, satria tsy ampy ny tsenan’asa eto, tsy ampy ny enti-manana. Na ny fiaraha-miombon’antoka aza dia efa manano-sarotra satria vitsy ny mpiara-miombon’antoka amin’ireo sampam-pianarana ety. Raha mbola tsy vonona noho izany ny enti-manana, ny toerana handefasana ireo mpianatra manam-pahaizana ireo dia aleo omanina izy ireo hanana fahalalana betsaka, ampy sady tsara fototra ahafahany misabaka amin’izay lalan-kizorana tiany aleha avy eo fa raha ny LMD dia mahita izahay fa tsy mifanaraka amin’ny zava-misy eto Madagasikara saingy efa nirosoana moa izy iny ka tsy vahaolana angamba ny miverin-dalana fa ny ezaka no tokony atao mafy.“

 : Pr Naly Rakotoarimanana, rektoran’ny Oniversiten’Ambohidratrimo

“Oniversite iray mikendry ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fotodrafitrasa rehetra ao aminy ny Oniversiten’Ambohidratrimo. Kendrenay koa ny tsy maintsy hahatsara ny tontolo manodidina ary vokatr’izay ezaky ny mpitantana ny oniversite izay no nahitana ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny ben’ny tanana eto an-toerana nanaovana ny vato fototra nanokafana ny lalana rarivato 1,200 kilaometatra iny. Tsy mbola manao dingana lava loatra ity oniversite vao miandoha ity fa fiofanana na “mention” miisa 3 ihany aloha dia ny “Management et gestion” sy informatika ary filozofia. Kendrena ny mba hahazoana mpianatra miisa 500 sy ny hitaran’ny fiofanana na “mention” amin’io taona hoavy io. Maro ny olana sedrain’ny oniversite tsy miankina fa ny finiavan’ny mpitantana eo anivon’ilay sampam-pampianarana no hahafahana mandroso. Isan’ny olana, ohatra, ny eo amin’ny fiarahamonina ary antony nanamboarana ilay lalana satria heverina hoe raha mpianatra miisa 500 izany no hifamoivoy amin’io lalana io afaka 2 taona dia tsy maintsy hisy ny disadisam-piarahamonina. Mila sorohina izany. Diso ny fiheverana fa lalam-pihariana ny fampianarana fa rehefa mikendry ny kalitao dia ny tanjona voalohany ny mba haha olomangan’i Madagasikara izay olona mivoaka ao amin’ilay oniversite.”

 

Isan’ireo fiovana heverina ho tsara marihina ihany koa manoloana ity fiovan-drafitra ity ny fanenana ny isan’ireo mpianatra mamerin-taona satria natao ho vitsy ny isan’ireo mpianatra miara-miatrika fampivondronana na “regroupement”. Mpianatra miisa 25, fara faha betsany, no tokony ho sahanina mpampianatra iray. Niova ihany koa ny fiantsoana ireo karazam-piofanana. Raha “département” no niantsoana ireo sampana teo aloha dia niova ho “mention” izany rehefa LMD. Ny rantsam-piofanana na “Branche” kosa dia niofo ho “Parcours”.

Nanatontosa sy nandrindra: J. Mirija

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanomboka omaly 22 hatramin’ny 26 aprily ny herinandro maneran-tany ho an’ny fanabeazana,

Card image cap
23-avril-2024

Efa saika vita avokoa ny fandaharam-pianarana taonam-pianarana 2023-2024

Card image cap