Nisy ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ny famaranana ny asa ka nahatonga ny an’ilay hoe: tsy hamoaka ny valim-panadinana, raha tsy azo ny vola. Tao anatin’izany anefa, hoy ny loharanom-baovaon’ny Minisitera mpiahy sy ireo mpampianatra sasany, dia efa fantatra sy nampahafantarina fa ny alarobia farafahatarany no mivoaka ny vola, izany hoe: rahampitso raha raisina amin’io, saingy lasa nialoha moa izany ny fizarana. Efa saika nahafantatra an’izay avokoa ny ankamaroany, ary efa nahalala aza fa hanomboka ny fizarana tambin-karama na ny “vacation”. Betsaka anefa ny zavatra nitranga, ary nizara tamin’ny endriny telo teo ireo mpampianatra, raha ny fanamarihana. Tao ny efa nivonona tamin’ny fanaovana “délibération” satria nino fa tsy maintsy hivoaka izany satria ny tsindry sy ny fitakiana rahateo nihamafy, ary efa nohazavaina fa “service fait” ny raharaha, ka vita ny asa vao mandeha ny dingana fizarana ny vola. Nisy kosa raha ny fanamarihana ny vondron’olona nivononana hanakorontana, ary nandeha hatramin’ny fandrahonana, hany ka hatramin’ny DNE (Directeur des Examens Nationaux) aza tratry ny fandrahonana ho faty satria nisy sasany toa nivonona hanakorontana sy voalaza fa nisy naniraka na notambazana vola, hoy ny fanamarihana. Betsaka, hoy ny fanazavana, no niverina hanao “délibération”, saingy nandeha ihany koa ny fandrahonana ho an’izay mandray anjara amin’izany, ka nisy ny nanara-drenirano nandray anjara tamin’ny “délibération” ary tao ihany koa ny tsy nanao izany teo anatrehan’ny tsindry sy fampihorohoroana. Nandritra ny “délibération” dia efa nandeha ny fizarana vola tao amin’ny “Agence comptable”, ary nandray vola soa aman-tsara ny rehetra na ireo nidrikina aza, kanefa voalaza fa nifanindran-dàlana tao anatin’izay, dia nisy ny fampihorohoroana sy fikasana handoro ny Cathédrale an’ny Médecine ny alin’iny satria tao ny toerana nanaovana ny “délibération”. Voatery nohamafisina ny fiambenana sy ny fiarovana tao amin’io toerana io ny alin’ny sabotsy 19 aogositra lasa teo. Raha ny fanamarihana mikasika ny fitsipika mifehy ny fanadinam-panjakana, dia ny President de jury, coordonateur des matières,… no tsy maintsy eo amin’ny “délibération”, fa tsy voatery kosa ny mpitsara, hoy hatrany ny fanazavana. Misy manely resaka hoe : tsy nantsoina, fa olona vitsy kely, saingy tsy vitsy izany, raha ny loharanom-baovao. Zon’ny mpampianatra ny mitaky satria valin-katsembohany rahateo no takiany, misy marary matoa azy matoa tonga amin’izany, ary misy lesoka mila harenina raha tarafina amin’ireny zava-nitranga ireny, izay porofo hitarafana fa marary ny fampianarana. Na izany aza, tsy ao anatin’ny kolontsain’ny fanabeazana sy ny fampianarana ny mety ho fampidirana asa fanakorontanana raha nisy tokoa ny fikasana handoro sy handrava satria ain’ny fanadinam-panjakana, ny fanadinana nataon’ny mpiadina an’aliny no mety lasibatra tao, raha sanatria tena tonga tamin’ny sakoroka tahaka ny fandoroana tokoa. Azo lazaina ho efa nilamina moa ny toe-draharaha, saingy anjaran’ireo rehetra voakasika no maka lesona ho amin’ny ho avy mba tsy ho sorona sy takalon’aina lava ny mpianatra sy ny fampianarana.
Toky R
Sary fanehoana