airtel

Fampianarana

26-juil-2023

Fampianarana

Raharaha bakalorea Tafakatra 14 ireo nosamborina

Sample post image

Tafakatra 14 ireo olona nosamborina tamin’ny raharaha fikorontanan’ny fanadinam-panjakana bakalorea. Misy tamin’ireo no mpampianatra, mpianatra,

26-juil-2023

ary olon-tsotra ka vesatra hanenjehana azy ireo ny fiahiahiana ho nandray anjara tamin’ny fanapariahana ny laza adina mialohan’ny fotoana. Teto Antananarivo avokoa ny ankamaroan’ny voasambotra, raha toa ka 3 no tany amin’ny faritany. Mbola tsy nisy natolotra ny fampanoavana kosa anefa izy ireo. Mandeha ny resaka amin’ny fisiana fisamborana mpikambana eo anivon’ny Sendikan’ny Mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra na SECES Sampana Antananarivo, saingy tsy mbola nanamarina na nandiso an’io ofisialy ny zandarimariam-pirenena, raha ny tatitry ny fampahalalam-baovao iray. Niparitaka moa ny filazana nataona olona mpanohana ny Fitondrana izay mipetraka any ampitan-dranomasina nilaza fa “niainga avy ao amin’ny Fakioliten’ny Siantsa eny Ankatso ny tsikombakomba. Misy mpikamban’ny SECES voasaingotra…”. Tsy voamarina ihany koa hatreto ny fisian’ny fifandraisan’iny fikorontanan’ny Bakalorea amin’ny mpanohitra. Anisan’ny nanasoketa mivantana ny Antoko mpanohitra ho tao ambadik’iny moa ny Minisitry ny raharaham-bahiny Rtoa Yvette Sylla izay nilaza fa asa fanakorontanana no tanjona tao anatiny. Nanao izany fa ankolaka ihany koa ny Filoha Andry Rajoelina ka nilaza fa ny tsy fitiavana ny Fanjakana no anton’ireny, ka raha ny Fitondrana no tsy tiana dia tsy tokony ny tanora no soparana. Raha ny loharanom-baovao avy any anaty Fitondrana kosa, dia voalaza fa ahiana ho lonilony eo amin’ny samy mpikamban’ny governemanta no isan’ny anton’ireny, ka natao mba haminganana mivantana ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa Rtoa Assoumacou Elia Béatrice. Ny taona 2019, nisy ny fivoahan’ny laza adina mialohan’ny fotoana ka nikorontana ny bakalorea, ary voatery nasiana “session speciale”. Ny taona 2022, nisy olana ny laza adina ho an’ny sokajy teknika, hany ka nasiana “bonus” manokana ny naoty ho fanonerana izany. Ny taona 2023, iny niaraha-nahita iny ny fivoahan’ny laza adina mialohan’ny fotoana, niteraka fikorontanana,… saingy tsy hiaiky mihitsy ny Fitondrana fa misy lesoka mivantana na ankolaka avy aminy, fa mitady izay hanilihana.


Na inona na inona antony, miharihary hatrany ny fanamaivana ny tontolon’ny fampianarana eto Madagasikara, izay antony mampitotongana ny fari-pahaizan’ny tanora Malagasy. Saika olana mandavan-taona hatrany no re na eny amin’ny ambaratonga fototra na antenantenany na ny fampianarana ambony. Ny olona anefa no harena voalohan’ny firenena ka rehefa ireo no manana olana ara-pahalalana sy fahaizana, dia sanatria ho lasa vesatra fa tsy ho fanohitry ny famokarana sy ny toekarena. Tsy hisy fampandrosoana vanona raha ny fampianarana no atao tsirambina, ary tsy endrika ivelany amin’ny alalan’ny rindrina efatra fotsiny no atao hoe: fanatsarana ny fampianarana!

Toky R
 

Dans la même rubrique