airtel

Fampianarana

18-août-2023

Fampianarana

Raharaha laza adina bakalorea Mifamahofaho, handeha fitsarana anio

Sample post image

Hiakatra fitsarana anio ny raharaha fanakorontanana ny fanadinam-panjakana bakalorea, tamin’ny alalan’ny fanapariahana sy fivarotana laza adina.

18-août-2023

Raha hiverenana, dia efa nisy olona 13 naiditra am-ponja vonjimaika tamin’io raharaha io, izay saika ireo tany amin’ny “conclave” na fihibohana ny ankamaroany. Efa nilaza moa ireo niatrika izany, fa tsy azo eritreretina ny fivoahan’ny laza adina avy tao, raha ny fepetra hentitra dia hentitra tsy maintsy narahana tao anatin’izay. Anisan’ireo nogadraina vonjimaika ireo nanao “contrôle” ny valopy, ary tao anatin'ny nataon'izy ireo ny Foibem-panadinana Talatamaty niavian'ilay fivoahana laza adina, dia tsy mahazo manokatra valopy na mikitika izay ao anatiny ny mpanao “contrôle”, nefa dia lazaina fa niray tsikombakomba, ary ireo chef de centre tao Talatamaty voalaza fa niavian'ilay fivoahana indray no lasa vavolombelona manilika ary nilaza fa avy tao amin’ny “conclave” ilay valopy nahatonga izany, hoy ny fanazavana efa nataon’ireo akaiky ireo lasibatra. Misy ny fitanana an-tsoratra niparitaka nilaza fa tamin’ny fandraisana ireo laza adina dia nisy tamin’ireo valopy no nisy nanokafana ny 8, ka tsy nihidy tsara intsony, ary tsy nifanitsy ny fitombokase, izay nataon’ny tao amin’ny mpikirakira sy mpanomana ny laza adina. Iza marina no tena tompon’antoka? Mandeha ny ahiahy fa ny olona tena ahiahiana indray no mety ho afa-maina, ary sanatria ny tsy meloka no hohelohina, saingy ny Fitsarana moa no tena tompon’ny teny farany ao anatin’ny raharaha. Mandeha ohatra ny fanamarihana hoe: ahoana ny mikasika ireo tompon’andraikitra teny Talatamaty malaza fa nandefa mpianatra be dia be tany Mahitsy natao kandida mahaleo tena na “candidat libre” sy ahiana ho efa niketrika famatsiana laza adina navoaka alohan’ny fotoana? Tahaka izany ihany koa ny ahiahy mikasika tompon’andraikitra tany Andramasina? Mandeha ny fanamarihana fa tokony hisy fangaraharana kokoa amin’ity raharaha ity, ary mila fongorina hatramin’ny fakany mihitsy ny tambajotra matanjaka sy mety mampiasa vola be mihitsy ao anatin’io raharaha io satria sady famotehana ny fampianarana no mety ho endriky ny fanakorontanana noho ny lonilony politika ka ny zanaka Malagasy no lasibatra. Andrasana izay ho tohiny sy ny akony!
Toky R
Sary fanehoana

 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Mampiaka-peo manoloana ny olana samihafa miverimberina ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo

Card image cap
24-juil-2024

Anisany mpandray anjara tamin'ny hetsika Madagascar school Fair teny amin'ny Radisson Blu

Card image cap
24-juil-2024

Hafakely ny tranga nandritry ny fanadinana bakalorea tany Ambositra ny andro voalohany,

Card image cap