airtel

Fampianarana

23-avril-2024

Rakotondraibe Besa Josefa

“Ampifanaraho amin’ny fizakan-tenan’ny firenena ny fampianarana”

Sample post image

Notsiahivin’Atoa Rakotondrainibe Besa Joseph Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny CONAMEPT CONAMEPT

23-avril-2024

Coalition Nationale Malagasy pour l'Education Pour Tous) omaly raha nanontaniana ny fahitany fametrahan’ny Fanjakana ho zava-dehibe na tsia ny fanabeazana eo anatrehan’ny fahabangan’ireo minisitra misahana izany, fa tsy tokony ho variana amin’ny adin’akoholahy, fa ny adin’ombalahy eo amin’ny lafiny fanabeazana no mila jerena. Notsiahiviny, ohatra, fa misy ny “LOGEM” izay lalàna mifehy ny fanabeazam-pirenena izay tokony hotakiana ny fampiharana sy fanatsarana azy eo amin’ny sehatry ny fanabeazana. Ao anatin’ny lalàmpanorenena dia voalaza fa maimaimpoana ny fampianarana ka farafaharatsiny tokony hihatra ny eny amin’ny fanabeazana fototra. Isan’ny nanasonia I Madagasikara, fa tokony hifanaraka amin’ny zavatra iainana andavanandro ny zavatra ampianarina ny ankizy. Tokony hiadiana noho izany ny fandaharam-pianarana hahafahan’ny ankizy sy tanora hampihatra azy amin’ny fiainana andavanandro, hoy Atoa Rakotondrainibe Besa Josefa. Notsiahiviny ihany koa, fa tao anatin’ny filankevi-pirenen’ny fanabeazana, dia efa tapaka fa mila manana bakalorea ary nahavita fiofanana vao tokony hahazo fahazoan-dàlana hampianatra, efa namoahana lalàna teo anivon’ny Minisitera. Misy ihany koa, hoy izy, ny fivoarana eo amin’ny fiarahamonina, ka tokony hanaraka izany ny fampianarana sy fanabeazana. Amin’izao mantsy dia na zazakely aza dia afaka mampiasa finday, facebook,… ka tokony hiezaka ny Fanjakana amin’ny fampiofanana ny mpampianatra, ka na misy rivodoza aza ohatra dia tokony ho afaka mianatra foana na tsy afaka makany an-tsekoly aza. Tafiditra anatin’ny fanovana tokony hapetraka ihany koa ny resaka asa mendrika satria amin’izao dia mitady ho lasa fitadiavam-bola fotsiny ny fampianarana, ary tsy misy zavatra miorim-paka matetika fa toa lasa lamaody toy ny hoe: atao amin’ny fiteny Frantsay na tsy voafehin’ilay mpampianatra aza. Nandritra ny coronavirus sy ny ady any Ukraine rahateo, dia mieretreritra ny fizakan-tenan’ny fireneny ny eran-tany, hahaizana ilay fahaiza-manao. Ny Frantsay, ohatra, nampiasa ny fanatontoloana ka nariany ny fahaiza-manaoy teo amin’ny sehatry ny angovo nokleary kanefa hita fa manana fahasahiranana amin’izao amin’ny sehatry ny angovo, ka afaka 5 na 6 taona vao afaka hanana ny ampahany vitsivitsy amin’ny fahaizana nananany. Isika nanana ny fahaiza-manao raha tsy hilaza afatsy ny fambolena sy ny fiompiana fotsiny izay Madagasikara no nanana fototra teo amin’ny resaka fikarohana momba izany, toy ny lafiny vary, omby, kafe,… Nampianarina ny olona tamin’izany ary nivoitra fa ny sekoly dia fianarana fiainana, saingy adino, ka takiana ny hoe: aoka hianatra ny fiainana dia ny eny any an-tsekoly, ary na ny eny amin’ny fiarahamonina aza, dia fianarana foana mandra-pahafaty, hoy hatrany Atoa Rakotondrainibe Besa Josefa.
Toky R

 

Dans la même rubrique