rahampitso, 7 taona taorian’ny niatoany
Taorian’ny fito taona niatoana ny « rentrée solennelle » na ny fidirana ofisialy ho an’ny fampianarana sy ny fanofanana eo anivon’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa. Natao hanamafisana ny firaisankina sy ny fiaraha-mientan’ireo mpisehatra manerana ny Nosy. Nampahafantarina ofisialy omaly, fa araka ny naoty 422/2026/PM/SGG/SC tamin’ny 13 oktobra, dia nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny fanatanterahana azy io. Hanatanteraka izany ny fianakaviamben’ny METFP tarihin’ny Minisitra Todisoa Andriamampandry rahampitso zoma 27 novambra 2026, etsy amin’ny Kianjan’Alarobia. « Fanamafisana ny firaisankina, ny fahitana sy ny fanentanana ireo mpisehatra eo anivon'ny ETFP manodidina ny vinan'ny Minisitera, mba hanamafisana ny fiaraha-mientana sy hiantohana ny fandraisan'ny rehetra ny laharam-pahamehana nasionaly eo amin'ny fanofanana sy ny asa » no lohahevitra amin’izany, izay manasongadina ny anjara toeran’ny ETFP amin’ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara. Tanjona amin’izy io, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny METFP Atoa Tsirahamba ny hoe : « Hapetraka ny Minisiteran’ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa ho fanohitra lehibe entina mampandroso ny ara-toekarena sy ny ara-tsosialy eto amin’ny tany sy ny Firenena ». Izay fanambarana sy fanatanterahana ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy taom-pampianarana sy taom-panofanana miaraka amin’ny lalan-tsain’ny governemanta izay no tanterahan’ny METFP mametraka fa ny tanora no hoavin’ny Firenena, ka anjaran’ny Minisitera sy ny mpiara-miombon’antoka rehetra, ireo orinasa, ireo mpiantsehatra rehetra na miankina na tsy miankina no mitonera an’ireo tanora makany amin’ny fahaiza-manao izay ilain’ny Firenentsika, hoy hatrany izy. Ho ambohipihaonan’ny METFP sy mpiara-miombon’antoka rehetra sy ny mpandray anjara rehetra eo anivon’ny sekoly araka izany ny eto Antananarivo ny zoma izao. Raha tany Boeny no nanatanteraka ny fakan-kevitra, nitohy tany Fianarantsoa, dia eto Antananarivo kosa no hijery sy manatanteraka ny anjara birikin’ny Minisitera eo anivon’ny governemanta, ka izay fiombonana izay no hapetraka mba hahafantarana fa zava-dehibe ho an’ny Firenena ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa satria tena anisan’ny fanohitra ara-toekarena. Vonona ny avy amin’ny Faritra, manomboka tonga ireo nasaina, ka hifamotoana eto Antananarivo ny fianakaviamben’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa ny zoma izao.
Toky R