airtel

Fampianarana

25-août-2026

ROBOTEX

INTERNATIONAL 2026

Sample post image

Hisolotena an'i Madagasikara ny ekipa CERISE

25-août-2026

Hisolotena an'i Madagasikara amin'ny fifaninanana Robotex International izay hotanterahina any Séoul, Korea Atsimo ny ekipa CERISE na ny Club de l’Électro-Robotique et des Systèmes Embarqués, avy ao amin'ny ENI (École Nationale d'Informatique) Fianarantsoa. Hotontosaina amin'ny 25 hatramin'ny 30 Novambra ho avy izao io fifaninana io raha tsiahivina. Voafantina handray anjarao ao amin'ny sokajy LEGO Sumo 3 kg – OPEN, ny CERISE, ary sambany izy ireo no handray anjara amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena. Vonona tanteraka izy 5 mirahalahy amin'ny ankapobeny na izany aza. Mandrafitra ny ekipan'ny CERISE ao anatin'izany moa RAHANDRISOA Andotiana Kanto Fitiavana, L2 IG ; RAJAONARISON Iandraina Matthieu, L2 ASR ; RATEFISON Yakin ny Aina, L2 IG ; SOLOFO HERINIAIKO Fitiavana Romeo, L2 ASR ary i FANDRESENA Mickaël, L2 ASR. Tombanana ny datin'ny 20 Novambra ho avy izao izy ireo no hiainga eto an-tanindrazana no sady vonona hiaro ny voninahi-pirenena. Firenena am-polony no hifaninana amin'izany.
Nangonin'i Pati
Légende : Ireto izy 5 mirahalahy !
 

Dans la même rubrique

25-août-2026

Vaky vava manoloana ny tsy fikajiana fananana iombonana

Card image cap
25-août-2026

nihatsara ny fahadiovan'ny fanadinana

Card image cap
25-août-2026

6 isaky ny Fari-piadidiam-pampianarana

Card image cap