Hiatrika ny dingana famaranana hatao any Genève amin’ny herinandro ambony, ka hanolotra ny tetikasany momba ny ady amin'ny karbaona ny tanora Malagasy. Isan’ny mandrafitra ny fanamby lehibe ao anatin’ny fifaninanana ny NTE (New Technology Challenge), izay miombana amin’ny teknolojia vaovao, ka ny fikarohana sy fanolorana vahaolana maharitra ahafahana miady amin’ny entona karbona no isan’ny fanamby lehibe amin’ity. Soso-kevitra miisa 3 no naroson’ny tanora siantifika Malagasy : fikarohana mba hanoloana ny arina fandrehitra na «charbon de bois », famoronana robot afaka mamboly hazo ao anatin’ny iray minitra monja ary afaka manara-maso avy hatrany ny fivoaran’ny fambolena, ary ny fanananana fitaovana afaka mitahiry ny karbona ho azo havadika ho angovo azo ampiasaina. Nampitolagaga ny mpitsara ny fahatsaran’ny tetikasa natolotry ny tanora Malagasy, antony nahatafiditra antsika ho isan’ireo 10 voalohany hanao famaranana kamin’i Belize, Bosnie-Herzégovine, Canada, Grèce, Indonésie, Iran, Roumanie, Slovaquie ary i Zimbabwe. Hahazo tohana sy famatsiana avy amin’ny Fondation XPrize ny ekipa mpandresy. Tanora 5 mianadahy izay ahitana vehivavy 3 sy lehilahy 2 izay liana sy sangany amin’ny tontolon’ny informatika, simia, elektromekanika, matematika, robotika no mandrafitra ny ekipa Malagasy. Sangany ary mampiaiky an’izao tontolo izao hatrany i Madagasikara amin’ny sehatry ny informatika sy ny robotika, tsy vaovao amintsika ny First Global Challenge. Mirary hatrany ny ekipa Malagasy hahomby, ary mandrisika ny olom-pirenena tsy ankavaka amin’ny fanohanana izay miseho amin’ny endriny maro, raha tsy hilaza afatsy ilay «social media challenge» ahafahana manohana azy ireo.
Toky R