airtel

Fampianarana

31-mars-2023

Fampianarana

Sakana amin’ny fihariana sy fandrosoana Ny 3%n’ny Malagasy ihany no nahita fampianarana ambony

Sample post image

Hatramin’ny taona 2014 no efa niarahan’ny minisiteran’ny tanora namolavola tamin’ireo tanora manerana ny distrika miisa 119 eto Madagasikara ny antsoina hoe tetikasa Fanoitra,

31-mars-2023

hoy ny fanazavan’ny tale jeneraly misahana ny tanora eo anivon’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena, Tsikitsiky Razanamasy, nanazava ny momba izany tetsy Ambohijatovo, omaly. tamin’izany no namoahana antotan’isa fa ny 3%n’ny vahoaka malagasy ihany no nahita fampianarana ambony, hoy izy. 40% no nahavita ambaratonga voalohany, 40% faharoa, 18% tsy nahita fianarana ary isan’ny hita ho antony mahatonga ny tanora tsy afa-mandeha lavitra amin’ny seha-pihariana izany. Tsy mahita ny lalan-kombana hoe hanao ahoana ny hoaviny? Nandray fepetra noho izany ny eto anivon’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena mba hametrahana hetsika hanampiana ireo tanora ireo amin’ny alalan’ny antsoina hoe “kolontsainan’ny vina” mba hahaizan’ireo tanora mijery lavitra mikasika ny mety hoaviny amin’ireo taona maromaro ao aoriana. Misy lohahevitra miisa 4 hafa koa ankoatran’izay toy ny “fandraharahana sy asan’ny tanora”, “fahasalamana sy fiarovana ny tanora”, “fampialam-boly ny tanora”, “fandriampahalemana”. Tanora miisa 9532 no niofana teto Antananarivo mikasika ny kolontsainan’ny vina ho fanombohana azy. 6000 eo kosa no handray ny fanamariham-pandraisana anjara na “attestation de participation”. Ny distrikan’i Betroka, faritra Anosy, no distrika filamatra na « pilote » ao anatin’ity tetikasa Fanoitra ity. Efa tamin’ny taon-dasa no natomboka ny fampiofanana ireo tanora tany an-toerana miaraka amin’ny tan-tsoroka ara-pitaovana sy tekinika tahaka ny hoe raha mpamboly Balahazo, ohatra, ny ankamaroan’izy ireo dia nofanina hanitatra ny fihariana momba izany hitohy amin’ny famokarana lafarinina na “cacapigeon”. Notohizana tamin’ny andro iraisampirenena ho an’ny tanora natao tany Mahajanga tamin’ny taon-dasa niaraka tamin’ireo distrika hafa teto amin’ny firenena izany. Anio moa no ho zaraina amin’ireo tanora etsy amin’ny kianjan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina etsy Mahamasina izay mari-pandraisana anjara izay, hoy hatrany i Tsikitsiky Razanamasy.
J. Mirija
Legende: Tsy afa-mandeha lavitra amin’ny seha-pihariana ny tanora Malagasy, hoy i Tsikitsiky Razanamasy
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Nisy ny tenimita na naoty navoakan’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana Ara-tsiansa ny 22 martsa 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Mitohy ny hetsika fanentanana ny mpianatra momba ny Fehezam-pitsipika misahana ny fikoloam-pahasalamana

Card image cap