airtel

Fampianarana

17-sept-2021

Fampianarana

«Salon de l’Etudiant et de l’Emploi » Hisy atrikasa, valandresaka sy adihevitra, fandraisana CV

Sample post image

Andro sisa isaina, dia higadona ny andron’ny 20-22 septambra 2021 hanatanterahana ny « Salon de l’Etudiant et de l’Emploi » andiany faha-3 etsy amin’ny Tokontanin’ny TVM-RNM Anosy.

17-sept-2021

 Mpitsidika hatrany amin’ny 150 000 eo no andrasana. Ankoatra ny fampiratiana samihafa ahitana tranoheva manodidina ny eo, dia isan’ny hampiavaka izany ny «ateliers» sy «conférences-débats », izay tan-tsoroka sy tari-dàlana ho an’ny tanora, tsy amin’ny fampianarana ihany fa fitarihana tsikelikely amin’ny sehatra arak’asa. Ny 21 septembre 2021 amin’ny 12ora30-12ora50, dia hisy ny Atelier miompana amin’ny lohahevitra hoe : «Quels parcours pour accéder aux métiers chez JB et Socolait ? » izay karakarain’ny Groupe Basan, izany hoe hiresahana ireo dingana ahafahana miasa ao amin’ny Orinasa JB sy Socolait, ka mbola hitohy io ny 22 septambra 2021 kosa amin’ny 12or30-12ora50. Ny 21 septambra amin’ny 1ora-2ora tolakandro : « Workshop sur les techniques de recherche d’emploi », karakarain’ny KENTIA-FORMATION sarl. 2ora-5ora hariva: « Conférence-débat » miompana amin’ny lohahevitra hoe : «Comment démarrer en entrepreneuriat ? », hataon’i M. Joelison Rafenomanantsoa, Mpandrindra ny Mi’Harena ; « organisation d’accompagnement des dirigeants et des entrepreneurs Conférence », « L’orientation des lycéens vers les métiers tendance et d’avenir, soit les secteurs concernés, izay miompana amina tari-dàlana ho an’ny tanora eny amin’ny Lisea izay karakarain’ny « Projet JMCT (Jeunesse Malgache Compétente au Travail) Vatsian’ny « Affaires mondiales Canada sy ny AFD (Agence Française de Développement). Ny 22 septambra amin’ny 1ora-2ora tokandro kosa, dia «Séance de travail sur le montage d’un bon CV» karakarain’ny KENTIA-FORMATION. Amin’ny 2ora-5ora hariva: « Conférence-débat » miompana amin’ny lohahevitra : « Pourquoi faire accompagner (incuber) votre projet ? », hataon’ny Nexta (groupe Axian), « Conférence-débat » miompana amin’ny hoe :« l’orientation scolaire et professionnelle : apprendre à se connaître pour ne pas se tromper de choix ; critères à évaluer avant de choisir sa formation ; sensibilisation au métier de l’étudiant », karakarain’ny Groupe Sésame.
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Tsy handalo fotsiny ihany ny fahatsiarovana ny faha-77 taonan'ny tolom-panafahana 1947

Card image cap