airtel

Fampianarana

26-août-2026

SALON

DE L’ETUDIANT ET DE L’EMPLOIE

Sample post image

Mpitsidika mihoatra ny 20.000 isa no andrasana

26-août-2026

Mpitsidika mihoatra ny 20.000 isa no andrasana mandritra ilay Salon de l’etudiant et de l’emploie andiany fahafolo, karakarain’ny Publika Mada etsy amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina. Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly ity hetsika ity haharitra 3 andro ahitana mpandray anjara hatrany amin’ny 100 isa manana tanjona hizara ny traikefany sy hanampy ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra sy mpianatra vao afa-panadinana Bakalorea hisafidy sy hitady izay lalam-piofanana mety aminy. Oniversitem-panjakana sy oniversite tsy miankina ambony ny ankamaroan’izy ireo raha araka ny fanazavan-dRatsimbazafy Pascaline Manager eo anivon’ny Publika Mada miampy ireo ivon-toeram-piofanana maro samihafa sy orinasa mitady mpiasa. Tanjon’ny mpikarakara ny hahatonga ireo tanora mpianatra tsy ho diso lalam-piofanana arahina intsony. Arahin’ny toro-hevitra omen’ireo manam-pahaizana izany mba hahatongavan’izy ireo amin’ny tanjona iriany. Fantatra moa fa nivoaka tamim-pomba ofisialy omaly ihany koa ny karne misy ny adiresin’ireo oniversite matihanina eto amintsika hahafahan’ireo mpianatra misafidy. Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonana Razafinjaka, tompon’andraikitra eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana siantifika izay nanamafy ny mahazava-dehibe ny hetsika tahaka izao entina hanampiana ireo tanora mpianatra. Tsy maharaka ny isan’ireo vao afa-panadinana Bakalorea intsony mantsy ny oniversitem-panjakana misy ankehitriny ka tsy maintsy omena sehatra ireo sekoly ambony tsy miankina. Ny mampiditra azy ireny ho amin’ny ara-dalana no tena tanjonay hoy izy manomboka any amin’ny resaka foto-drafitrasa ka hatrany amin’ny diplaoma havoakany izay tokony ho eken’ireo Ministera isan-tsokajiny. Pati
Legende : Nahavory olona marobe sahady ny salon omaly andro voalohany !
Rtoa Ratsimbazafy Pascaline, manager eo anivon’ny Publika Mada !
 

Dans la même rubrique

26-août-2026

fikarohana mitondra fampandrosoana

Card image cap