airtel

Fampianarana

17-janv-2025

SALON DE L’ETUDIANT SPECIAL JANVIER

Misy fanoroana hevitra ny mpianatra vao afa-panadinana

Sample post image

Mahasarika tanora mpianatra marobe ilay Salon de l’etudiant special Janvier maimaim-poana

17-janv-2025

karakarain’ny Madajeune etsy amin’ny hotel le Pave Antaninarenina. Mahatratra 20 mahery ireo oniversite mandray anjara amin’izany nanomboka omaly Alakamisy 16 Janoary izay samy manana tanjona hanampy ireo tanora manana ny mari-pahaizana Bakalorea tara fidirana. Ny lalam-piofanana restauration, informatika, tourisme no nambaran-dRandrianarimanana Kanto Nandrianina, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny Madajeune fa tena tadiavin’ny ankizy amin’izao no sady mora hahitana asa. Manampy azy ireny amin’ny alalan’ilay espace orientation izay misy eny an-toerana rahateo ny mpikarakara momba izay lalam-piofanana tokony hoarahiny. Miainga amin’ilay asa tiana hatao any aoriana izy io amin’ny ankapobeny mba tsy ho sanatria very taona iray na roa ny mpianatra iray vao hiverin-dalana. Tsy izay mety amin’ny namany ihany koa no mety amin’ny mpianatra iray fa miankina amin’ny tsirairay sy asa tiana hatao izany. Hifarana anio Zoma 17 Janoary ny hetsika.
Pati
Legende : Be mpitsidika hatrany ny Salon momba ny fampianarana karakarain’ny Madajeune !
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Mpampianatra teny anglisy maherin’ny 100 no nandray anjara tamin’ny fiofanana iraisam-pirenena

Card image cap
12-juin-2025

Nasiam-panavaozana ny efitranon- tsekoly maromaro ao anatin’ireo sekoly ambaratonga

Card image cap