airtel

Fampianarana

27-févr-2024

SALON DES ETUDES

INTERNATIONALES Eny amin’ny Novotel amin’ny 06 sy 07 Martsa

Sample post image

Raikitra indray ny Salon des etudes Internationales adiany fha-14

27-févr-2024

karakarain’ny Madajeune sy ireo mpanohana azy amin’ity taona 2024 ity. Eny amin’ny Novotel Convention Ivandry no fotoana, amin’ny datin’ny 06 sy ny 07 Martsa ho avy, izay manana tanjona hanatanteraka ny nofinofin’ireo ankizy mpianatra maniry ny hanohy fianarana any ivelany. Sekoly ambony miisa 20 efa manana traikefa sy manana ny maha-izy azy no handray anjara amin’izany toy ny ESCM, ny Education USA, MCCI. Tsy hanavahana sokajy izany fa rehefa manana ny mari-pahaizana Bakalorea no mihoatra dia afaka mianatra any ivelany avokoa. Toraka izany koa ireo efa nanohy fianarana teto an-toerana saingy te-hanohy any ivelany raha mbola tolotra hafa ihany koa ny an’ireo te-hijanona eto Madagasikara saingy maniry ny hanaraka ny fampianarana any ivelany amin’ny alalan’ny tolotra hampitain-davitra sy ny fitadiavana vatsim-pianarana. Hatreto dia i Inde, Etazonia, La France, Nosy rahavavy Maurice, Turkie, Canada, Singapour no tena tian’ny mpianatra Malagasy hanohizana ny fianarany indrindra. Ho an’ny Madajeune manokana moa dia sady manoro hevitra izy ireo no mampifandray ilay mpianatra amin’ilay sekoly avy hatrany hahafahan’ny roa tonta mifampiresaka sy mikarakara izay tokony homanina. Isika tanora mpianatra sisa araka izany no andrasana. 5.000 Ariary ny vidim-pidirana ho an’ny olon-drehetra raha 3.000 Ariary kosa ho an’ireo mpianatry ny lisea saingy tsy maintsy mitondra karatra hanamarinana izany.
Pati
Legende : Mahasarika tanora marobe tahaka izao hatrany ny Salon des etudes internationales !

 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Mampiaka-peo manoloana ny olana samihafa miverimberina ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo

Card image cap
24-juil-2024

Anisany mpandray anjara tamin'ny hetsika Madagascar school Fair teny amin'ny Radisson Blu

Card image cap
24-juil-2024

Hafakely ny tranga nandritry ny fanadinana bakalorea tany Ambositra ny andro voalohany,

Card image cap