airtel

Fampianarana

17-mars-2022

Fampianarana

Salon des études internationales Hanampiana ireo te hianatra any ivelany

Sample post image

Manitsaka ny andro faharoa etsy amin’ny Centre commercial Akoor digue anio Alakamisy 17 Martsa ilay Salon des etudes Internationales andiany faha-12 karakarain’ny Mada Jeune.

17-mars-2022

 Oniveriste ambony avy amin’ny kaontinanta 5 no fantatra fa mandray anjara amin’izany miaraka amin’ireo vovonana maro samihafa. Raha araka ny fanazavan’Andriamahatsangy Lahatra, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Mada Jeune dia natao indrindra izao hetsika izao mba hanampiana ireo mpianatra Malagasy maniry ny hanohy fianarana any ivelany. Teo aloha dia La Frantsa hatrany no tena nahaliana ireo tanora ireo saingy ankehitriny efa misandrahaka amina firenena maro izany safidy izany toy ny Alemaina, Sina, Etazonia….Tsy tokony hosakana mihitsy ny fisian’ny valan’aretina COVID 19 ho an’ireo maniry ny hanohy fianarana any ivelany raha araka ny fanazavan’Andriamahatsangy Lahatra. Ny miditra eto Madagasikara mantsy no voafetra, raha araka ny fanazavany fa ny mivoaka mankany ivelany tsy olana raha manaraka hatrany ny fepetra ara-pahasalamana ny rehetra indrindra fa ny fananana ilay kara-baksiny. Mampiavaka ity « salón” ity moa ny fanampiana ireo tanora amin’ny alalan’ny fampitomboana ny fahaizany ny tenim-pirenena vahiny izay ahitana trano eva maro ihany koa eny an-toerana. Haharitra 3 andro ny hetsika.
Pati
Legende : Tanora marobe tahaka izao no tonga teny amin’ny Akoor digue omaly !
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Misavoritaka tanteraka ny raharaha eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao,

Card image cap