airtel

Fampianarana

07-mars-2024

SALON DES ETUDES INTERNATIONALES

Handroso ireo paikady hahazoana vatsim-pianarana any ivelany anio

Sample post image

Te-handranto fianarana any ivelany ny ankamaroan’ireo tanora Malagasy

07-mars-2024

vao afa-panadinana Bakalorea. Tsy manana fahafahana ny ho amin’izany anefa ny 70% -n’izy ireny raha tsiahivina vokatry ny hasarotan’ny fiainana. Na izany aza dia miezaka hatrany ny Madajeune manampy sy manohana ireo tena manam-piniavana amin’ny alalan’ilay hetsika “Salon des etudes Internationales” andiany faha-14 karakarainy nanomboka omaly etsy amin’ny Novotel Convention Ivandry. Tanjona amin’izany ny hampahafantarana ireo tanora Malagasy ireo karazana sekoly mifandray amin’ny oniversite any ivelany na koa sekoly mandefa mpianatra mivantana any ivelany izay efa mahatratra 30 isa. Navondrona amina toerana iray mihitsy izy ireo mba ho fitsinjovana ireo tanora amin’ny resaka fotoana sy saran-dalana raha araka ny fanazavan-dRajaonah Haingo, izay mpikarakara. Ho an’ny anio Alakamisy 07 Martsa ohatra dia hisy ny kaonferansa miisa 6 toy ny omaly Alarobia andro nanombohan’ny hetsika. Tafiditra ao anatin’ireo kaonferansa ireo ny fampahafantarana ireo tanora mpianatra ireo karazana paikady hahazoana vatsim-pianarana mankany ivelany hisorohana ny volabe mety hoalohan’ny Ray aman-dReny. Hatramin’ny omaly moa dia efa nahatratra an’arivony izy ireo no tonga teny an-toerana namantatra ireo karazana fiomanana tokony hataony raha hahazo izay vatsim-pianarana mankany ivelany izay marina.
Pati
Legende : An’arivony ireo mpianatra tonga tety amin’ny Novotel Ankorondrano omaly !
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Mampiaka-peo manoloana ny olana samihafa miverimberina ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo

Card image cap
24-juil-2024

Anisany mpandray anjara tamin'ny hetsika Madagascar school Fair teny amin'ny Radisson Blu

Card image cap
24-juil-2024

Hafakely ny tranga nandritry ny fanadinana bakalorea tany Ambositra ny andro voalohany,

Card image cap