airtel

Fampianarana

09-févr-2024

Salon des études internationales

Isan’ny mahasarika ireo mpianatra ny teknlojia

Sample post image

Eo am-pikarakarana ny andiany faha 14 amin’ny hetsika

09-févr-2024

salon des études internationales » ankehitriny ny Mada jeune, hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo omaly. Hetsika iray natao hampahafantarana ny mpianatra eto Madagasikara ireo sampam-pianarana azo rantovina eny amin’ny ambaratonga ambony any ivelan’i Madagasikara izy io, hoy ny fanazavana. An-jatony eran-tany ireo oniversite handray anjara. Raha ny «Education USA» izay mikarakara ny fanohizana fianarana any Etazonia, ohatra, dia mampahafantatra ny oniversite rehetra any Etazonia. Toy izany koa ny avy ao Torkia, Inde, Maorisy sy ny maro tsy voatanisa. Miisa 20 eo kosa ny tranoheva ho hita ao anatin’ny hetsika. Miverina eny amin’ny Novotel Alarobia moa no karakaraina ny hetsika ary ho tontosaina ny 6 sy 7 martsa izao. Maro ireo nangataka ny taona 2010, satria Mada jeune moa efa mpikarakara hetsika momba ny fampianarana ambony maro nanomboka ny taona 2002 tany, dia nitsiry ny hevitra hoe maninona moa raha ny mikasika ireo fianarana ambony any ivelany indray no ampahafantarina ireo mpianatra malagasy? Ireo taranja na «filière» tsy misy eto Madagasikara no tena mahaliana ireo mpianatra ho any ivelany. Isany, ohatra, ny «Farmasia», ny taranja mikasika tekinolojia maro, ny resaka tontolo iainana, be dia be. Ireo nahazo «Licence» no tena voasarika. Ny tena mahasarika azy ireo izao ny taranja Farmasia, «Marketing digitale», «Robotique» izay mbola tsy dia misy eto amintsika ireny koa isany mandeha, ankoatran’ireo efa mahazatra toy ny « Management », «Business school» sy ny hafa maro, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique