airtel

Fampianarana

02-sept-2022

Fampianarana

Salon des Études Supérieures Ahitana sekoly ambony 60, manampy be ny tanora

Sample post image

Tonga amin’ny andiany faha-19 "Salon des études supérieures", hetsika lehibe karakarain'ny Mada Jeune, izay efa manitsaka ny faha-20 taona nikarakarana fampiratiana goavana momba ny fampianarana ambony eto

02-sept-2022

Madagasikara hanampiana sy hanomezana tan-tsoroka ny tanora indrindra fa ireo vao afaka bakalorea amin’ny sehatra sy làlam-pihofanana harahina. Ambohipihanaon'ireo tanora sy ny Raiamandreny andaniny, ary ireo Oniversite sy Ivon-toeram-piofana samihafa hanohizan'izy ireo fiananarana noho izany ny “Salon des Études Supérieures", izay nisokatra omaly, ary mitohy sy mifarana anio zoma 02 septambra 2022 etsy amin’ny Akoor Digue Andohatapenaka. Manodidina ny 60 ireo Oniversite sy Ivon-toeram-piofana ambony mandray anjara, izay mivelatra amin'ny tranoheva hatrany amin'ny 90. Fotoana io ahafahantaran’ireo mpianatra ireo fianarana, ny lentan’ny fampianarana, ny làlam-piofanana ambony samihafa eto an-dRenivohitra na any amin’ireo Renivohi-paritany toa an’I Mahajanga, Toamasina, Fianarantsoa, Antsirabe,… Isan’ny mpanohana ity andiany faha-19 ity Oniversite Aceem (sponsor gold), ny IT University (sponsor sylver) izay sangany amin’ny fampianarana informatika izay efa mamoaka ny Master BIHAR (Big data Intelligence for Human Augmented Reality) noho fiaraha-miasany amin’ny ESTIA France ary ny MBDS izay iarahana amin’ny Oniversiten’I Côte d’Azur. Mpanohana ofisialy kosa ny Parul University,… Misy ihany koa moa ny "21e Guide des Études et Formation" mandritra ity "Salon des Études Supérieures" ity, izay ahitana ny pitsopitsony mikasika ireo sekoly ambony maherin’ny 50, maneho amin’ny antsipirihany ny momba azy, ny fiofanana atolony,… mba ho torolalana amin’ny safidin’izay sekoly sy fianarana horantoviny aorian’ny bakalorea. Nisy omaly “Tombola” ho an’ireo tsara vintana, izay tamin’ny alalan’ny fividianana io “guide” io no nahafahana nandray anjara. Toy ny isan-taona, maherin’ny 5000 ireo mpitsidika ity fampiratiana. Efa an’arivony maro ireo tanora sy Raiamandreny tonga nitsidika nandritra ny andro voalohany omaly, ary saika naneho avokoa izay nanontaniana, fa manampy betsaka azy ireo ity fampiratiana lehibe ity. Tsara ny manamarika fa maimaimpoana ny fidirana mba ho fitsinjovana ireo tanora.
SARY 1: Tanora maro no liana amin’ny "Salon des Études Supérieures" ataon’ny Mada Jeune

LALÀNA, FITANTANANA
Nambaran-dRtoa Haingo Rajaonah anefa fa ny lalam-piofanana lalàna, ny fitantanana, ny dokotera no tena be mpitady amin’izao fotoana. Tsy izany ihany anefa no misy sy hita etsy amin’ny Akoor digue hoy izy fa tena marobe tokoa no sady tsy mitsahatra ny mivoatra. Ho azy ireo manokana ohatra dia hiarahany miasa avokoa ireo sekoly ambony tsy miankina eto amintsika hanampiana ireo tanora tsy tafiditra eny amin’ny oniversite-n’Ankatso. Tsy tokony ho variana fotsiny amin’ny fanaovana facebook araka izany ny mpianatra hoy izy na rendrarendra hafa fa tokony hifantoka fatratra amin’ny fianarana satria efa tena manampy be dia be tokoa ny Ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika.
SARY 2: Rajaonah Haingo, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Madajeune
Toky R sy Pati 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Tsy handalo fotsiny ihany ny fahatsiarovana ny faha-77 taonan'ny tolom-panafahana 1947

Card image cap