airtel

Fampianarana

08-sept-2023

Salon des études supérieures » faha-20

Manampy hatrany ireo tanora vao afaka bakalorea

Sample post image

Hifarana anio etsy amin’ny Akoor digue rehefa naharitra 2 andro ilay Salon des etudes Superieures andiany faha-20 karakarain’ny Madajeune.

08-sept-2023

Ny mba hanoroana hevitra ireo tanora vao afa-panadinana Bakalorea no tanjona hahafantarany izay lalam-piofanana tokony arahiny mifanaraka amin’ny asa mba niriany hoatao rehefa any aoriana. Somary niavaka kely ny hetsika tamin’ity andiany ity. Nitombo hatrany amin’ny 75 isa mantsy ireo mpandray anjara raha araka ny fanazavan-dRajaonah Haingo, tompon’andraikitra eo anivon’ny Madajeune. Eo ihany koa ny fisian’ireo sekoly ambony mampianatra sy manofana eto Madagasikara sy any ivelany. Tsy latsa-danja amin’ireo raha araka ny fanazavana azo ny fisian’ny fampianarana hampitain-davitra. Lasa mahaliana ny ankizy mpianatra mantsy amin’izao mantsy raha araka ny fanazavana azo hatrany ny fahafahana mianatra ao an-tokantrano tsy mivoaka, nefa mahazo diplaoma avy eo. Mikasika ny lalam-piofanana indray dia an-jatony ireo haranty eny an-toerana. Ankoatra ny fampianarana amin’ny ankapobeny dia efa misy ihany koa ireo sekoly mampianatra mitaiza zaza, ho an’ireo izay liana amin’izany.Mahatratra 8.000 isa isan-taona moa ireo tanora tonga mitsidika sy maka toro-hevitra isaky ny Salon tahaka izao hoy hatrany Rajaonah Haingo.
Pati
Legende : Marobe tahaka izao ireo tanora mpianatra vao afa-panadinana Bakalorea tonga mitsidika ny Salon d’etudes superieures !
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Mampiaka-peo manoloana ny olana samihafa miverimberina ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo

Card image cap
24-juil-2024

Anisany mpandray anjara tamin'ny hetsika Madagascar school Fair teny amin'ny Radisson Blu

Card image cap
24-juil-2024

Hafakely ny tranga nandritry ny fanadinana bakalorea tany Ambositra ny andro voalohany,

Card image cap