airtel

Fampianarana

25-août-2023

Fampianarana

Salon Madajeune Toamasina Maro ireo mpitsidika ho an’ny andro voalohany

Sample post image

Tontosa soa aman-tsara ny andro voalohany amin'ny ny hetsika “salon madajeune” teto Toamasina, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly.

25-août-2023

Roa andro moa ny faharetan’izy io, ka ny andro voalohany dia nanao be fiavy ireo tanora. Niova toerana tamin’ity indray mitoraka ity izany. Foyer Social Canada no nandray ny hetsika andiany faha 6. Fotoana ifanomezana amin’ireo mpianatra afaka bakalorea sy ireo rehetra liana amin’ny fianarana ambaratonga ambony ity hetsika eto Toamasina ity. Nivaly tamin'ity herinandro ity moa ny bakalorea teto Toamasina ka marobe araka izany ireo mpitsidika tamin’ity andro voalohany ity. Raha oharina tamin’ny heritaona, liana dia liana ireo mpianatra sy ray aman-dreny tamin’ity indray mitoraka ity satria dia marobe koa ireo toeram-pampianarana nandray anjara (nahatratra 20 mahery). Ny mampiavaka ny hetsika Madajeune moa dia ny fisian'ny torolalana (orientation) amin'ny fisafidianana ireo fianarana aorian'ny bakalorea izay zava-dehibe tokoa satria hamaritra ny hoavin'izy ireo izany. Ny IT University moa dia mandray anjara amin’ity hetsika ity ary anisan'ireo mpanohana mavitrika ny hetsika Madajeune, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija

 

 


 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Mampiaka-peo manoloana ny olana samihafa miverimberina ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo

Card image cap
24-juil-2024

Anisany mpandray anjara tamin'ny hetsika Madagascar school Fair teny amin'ny Radisson Blu

Card image cap
24-juil-2024

Hafakely ny tranga nandritry ny fanadinana bakalorea tany Ambositra ny andro voalohany,

Card image cap