airtel

Fampianarana

26-oct-2023

SECES Antananarivo

“Fahavalo sy mpanani-bohitra ny Prédator”

Sample post image

Ny SECES Sampana Antananarivo izay nanatanteraka Fivoriambe sy fitokonana na “sit-in”

26-oct-2023

teo amin’ny “esplanade” na tokontaniben’Ankatso ny 23 oktobra 2023 dia manao izao fanambarana izao. Mitohy ny tolona fa miandry kosa ny fanapahan-kevitra ho raisin’ny governemanta mandritra ny filankevitra atao ny alarobia 25 oktobra 2023 mba ahafahana miverina amin’ny fampianarana. Noho izany dia mivory ny sampana ny alakamisy 26 oktobra amin’ny 9 ora maraina sy ao amin’ny toerana mahazatra ary hitafa amin’ireo solontenan’ny mpianatra. Momba ny raharaham-pirenena dia manamarika ny SECES Sampana Antananarivo fa tsy nandalo na tafiditra tamin’ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana na “Loi de Finance Initiale/ Rectificative” ilay fandaniana mitentina 14 tapitrisa Euro voalaza fa nividianana ny rindran-kajy “logiciel Predator” izay nolazaina fa hampiasaina amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana anatiny ary tsy nampahafantarina ny vahoaka malagasy tompom-bola sy tompom-pahefana tamim-pomba ofisialy ihany koa. Tsapa sy iaraha-mahita anefa fa vao maika mirongatra ny tsy fandriampahalemana manerana ny nosy ary tsy mipaka any amin’ny vahoaka tompon’ny vola sy tompom-pahefana ny “vokatsoa” azo avy amin’ny Prédator fa toa fihazana zavatra hafa no ampiandraiketina azy. Noho izany dia raisina ho toy ny fahavalo sy mpanani-bohitra izany fitaovana izany sy ny fampiasana azy ankoatry ny amin’ny fandriampahalemana anatiny koa miantso ireo manam-pahaizana manam-panahy rehetra mba hanohitra sy hanelingelina ary hamotika ny Prédator sy ny fomba fiasany. Ny SECES, sampana Antananarivo dia mamerina etoana ny fanamelohana ireo fanonganam-panjakana misesisy nataon’ireo andrim-panjakana noheverina fa mpiantoka sy mpiaro ny fanajana ny lalàmpanorenana saingy indrisy fa zary mampitsanga-menatra ny firenena malagasy eo anatrehan’izao tontolo izao ankehitriny. Mbola manaitra hatrany ireo manam-panahy sy manam-pahefana ny amin’ny tsy tokony hirosoana amin’ny fifidianana raha tsy efa mipetraka ny fanovana ireo rafitra rehetra mampisavorovoro sy tsy mampisy fitoniana sy fifampitokisana ary mandà ny fifampidinihana eto amin’ny tany sy ny firenena. Ny fihizingizinana hanatanteraka fifidianana alohan’izany fandaminana izany dia midika ho fanehoana tsy fitiavan-tanindrazana sy fankatoavana ny fiverimberenana krizy politika, hoy hatrany omaly ny SECES Antananarivo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique