airtel

Fampianarana

09-oct-2023

SECES Antananarivo

“Miantso ny tena mpitandro filaminana sisa manam-panahy”

Sample post image

Manoloana ny fandratrana sy famonoana ny malagasy mpiray tanindrazana maneho ny heviny eny an-dalambe ny

09-oct-2023

sabotsy 7 oktobra 2023 teo teto Antananarivo dia namoaka fanambarana ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra na SECES Antananarivo fa manameloka ny fihetsika feno habibiana tsy roa aman-tany ataon’ireo herim-pamoretana izy ireo. Aoka ho hajaina ny tany tan-dalàna, ny demokrasia ary ny fihavanana malagasy, hoy ny SECES sampana Antananarivo. Tsy misy na iray aza mahazo tombony amin’ny fifandrafiana sy ny hambom-po diso toerana. Miantso ny tena mpitandro filaminana izay sisa manam-panahy mba tsy hanaiky ho fitaovana hamono na/sy handratra ny mpiara-belona eto amin’ny firenena fa ho sahy kosa hiaro ny fiandrianam-pirenena, ny firaisam-pirenena ary ny soatoavina malagasy. Mila mahay mifampihaino isika malagasy. Mila mifampitsimbina ary miara-mametraka vahaolana tena malagasy ho an’ny firenena malagasy. Mankahery sy miray fo tanteraka amin’ireo izay naratra sy simba fananana, hoy hatrany ny SECES Antananarivo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique