airtel

Fampianarana

14-déc-2021

Fampianarana

SECES Antananarivo “Nivadim-pitokisana ny praiminisitra”

Sample post image

Betsaka ny ezaka natao, vovok’aina lany, herim-po fanary kanefa raha lanjaina kosa ny vokatra azo dia maivamaivana ihany, hoy ny filohan’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra,

14-déc-2021

 Prof Sammy Gregoire Ravelonirina, nilaza ny tomban’ny zava-bitan’ny SECES Sampana Antananarivo tamin’ity taona ity. Nisy ny tranga tsy niankina tamin’ny fahavononan’ny birao na SECES, andaniny, satria mpanolo-kevitra sy mitaky ary miaro zo no anjaran’ny sendika, hoy izy. Tsy mpanapa-kevitra akory izy ka afaka ipetraka amin’ny toeran’ny mpitondra fanjakana isan’ambaratonga. Mpiara-miombon’antoka fotsiny ihany. Nisongadina tamin’ity taona ity ny fahalaniana sy fahazoana ny lalana mifehy ny sata manokana mikasika ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, manampy sy manitsy ny andininy maromaro amin’ireo efa voafaritry ny lalana tany aloha 2003-008 sy 95-23. Nisy koa ny didim-panjakana sy fitondrana nahafahana nanantanteraka indray araka ny tokony ho izy fanehoana seho karoka momba ny HDR na “Habilitation a diriger des recherches” izay niantona nandritry ny 1 taona sy tapany tsy nahafahana nanao na inona na inona noho ny olana samihafa tao anatiny. Efa misy any amin’ny primatiora sy neken’ny filankevitry ny minisitra azan y didim-pitondrana sasantsasany mikasika ny andraikitra tsy maintsy efaina na “obligation de service”, ohatra. 7 volana latsaka izay no niandrasana ny laharana na “numero” an’io ao amin’ny primatiora fa tsy mety mivoaka. Sakana izany ny any amin’ny primatiora. Misy koa ny antotan-taratasy samihafa toy ny “maintien en activité” izay angatahana fahazoan-dalana manokana na “derogation” any amin’ny praiminisitra. Hatreto ny SECES dia somary sorena ihany amin’ny fivadiham-pitokisana ataon’ny tomponandraikitra lehibe ao amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Ny nifanarahana tamin’ny 17 janoary 2020, raha nifandresy lahatra ary nandray fanapahan-kevitra indray ny SECES sy solontenan’ny governemanta dia niara-nanaiky ho an’ny“maintien en activité” na dia telina aza hoe avereno indray mandeha dinihina any amin’ny “college des enseingnants” na “college des chercheurs” ny antotan-taratasin’ireo olona ireo ary mila mamoaka mason-tsivana mitombona tsara ny SECES. Raha manaiky ireo taratasy voadinika ny minisitra dia tsy hametraka olana aho, hoy ny praiminisitra, fa avy dia omeko ilay izy, hoy hatrany ny tenany. Hanao kaongresy manomboka anio ny SECES ka heverinay eto Antananarivo fa nivadim-pitokisana ny praiminisitra manoloana ny karazan-javatra toy izany, hoy hatrany ny SECES Antananarivo tamin’ny alalan’ity filohany ity.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny SECES Antananarivo
 

Dans la même rubrique