airtel

Fampianarana

18-sept-2023

SECES Antananarivo

“Toherina ny rahom-bava hikendrena ny ain’ireo mpitarika sendika”

Sample post image

Mitohy ny tolona satria tsy misy vahaolana naroson’ny fitondrana mba hahafahana miverina amin’ny fampianarana,

18-sept-2023

hoy ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra na SECES sampana Antananarivo ny faran’ny herinandro teo. Ho fanoherana ny rahom-bava nataon’ireo mpitondra fanjakana, hanapotehana sy hikendrena ny ain’ireo mpitarika ny sendika SECES, noho ny filazan’izy ireo am-pahibemaso ny fanehoan-kevitry ny fivoriambe momba ny raharaham-pirenena, hoy izy ireo. Manameloka tanteraka izany fihetsika maneho herisetra sy mitory hakanosana izany ny SECES Sampana Antananarivo satria tsy ny fandrahonana mpitarika sendika akory no hamaha ny olana sedrain’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ary mampitandrina ny fitondrana mba tsy halaim-panahy hampiasa herisetra ka hanitsakitsaka ny zon’olombelona sy ny zo sendikaly. Manantitrantitra ny SECES fa vonona ny hiverina amin’ny asa fampianarana ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra rehefa feno ny fepetra ahafahany manohy izany. Eo am-pelatanan’ny governemanta iarahan’ireo minisitra mitantana (“gouvernement collégial”) tanteraka ny hoavin’ny zana-bahoaka satria raha mba miroso amin’ny famahana ny olan’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa arak’ireo fitakiana ny fitondrana dia tsy ho sorona velively ireo zanaka malagasy mandranto fianarana ety amin’ny anjerimanontolo. Ny SECES sampana Antananrivo dia mitaky ny famerenana ny “barrière” na sakana, izay nesorina ka nahafahana nanitsakitsaka ny “franchise universitaire” na fiandrianan’ny oniversite ho eo amin’ny toerana tokony hisy azy indray. Io fitaovam-bahoaka io no miantoka izany “franchise universitaire” izany, raha toa ka mbola misy ihany ny fiheverana sy fanajana azy. Mivory ny sampana ny talata 19 septambra amin’ny fotoana sy toerana mahazatra satria manantena ny hitatitra amin’ny mpikambana ireo ezaka hataon’ny governemanta ny mpitarika ny sendika mba hampiravona ireo olana tsy mampisy ny filaminana ara-tsosialy ety amin’ny oniversitem-panjakana, hoy hatrany ny fanambaran’ny SECES sampana Antananarivo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Mampiaka-peo manoloana ny olana samihafa miverimberina ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo

Card image cap
24-juil-2024

Anisany mpandray anjara tamin'ny hetsika Madagascar school Fair teny amin'ny Radisson Blu

Card image cap
24-juil-2024

Hafakely ny tranga nandritry ny fanadinana bakalorea tany Ambositra ny andro voalohany,

Card image cap