ny vahaolana ho raisina manoloana ny zava-misy ety anivon’ireo oniversitem-panjakana, hoy ny filohan’ny SECES sampana Antananarivo, Pr Sammy Gregoire Ravelonirina, nitondra teny nandritry ny fivoriamben’izy ireo tetsy Ankatso omaly. Nanatona ny lehiben’ny andrim-panjakana HCDDED taorian’izay rehetra izay ny SECES, hoy izy, nitaraina taminy sy nandroso sosokevitra ny amin’ny mety ahafahana mifanatona amin’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana. Nisy koa taorian’izany ny fihaonana tamina tomponandraiki-panjakana ambony. Mbola tsy nisy ny vokatra azo tsapain-tanana na teo aza izany rehetra izany. Ho amafisina noho izany ny fanaovana oniversite sy ivon-toeram-pikarohana maty mandram-pisian’ny vahaolana mahafa-po avy amin’ny mpitondra fanjakana. Hanatanteraka fivoriambe ny SECES sampana Antananarivo. Ny alarobia hoavy izao ka raha mbola tsy misy ny vahaolana dia ahiana dia ahiana ny mety hirosoana amina fitokonana faobe hialohavan’ny fitokonana fanairana. Mitaky amin’ny fitondram-panjakana ankehitriny ny SECES fa tsy rariny ary tsy mendrika ho an’ny mpiasam-panjakana manatanteraka ny asany ny tsy fandraisany karama ara-potoana dia ny PAT eto amin’ny oniversiten’Antananarivo sy ny hafa eto amin’ny tany sy ny firenena. Tsy olona na vondron’olona fanaovana andrakandrana akory ny mpianatra mandrato fianarana amin’ny oniversitem-panjakana ka hanatanterahana “digitalisation” eo amin’ny fizarana vatsim-pianarana. Mijaly ny mpianatray. Voatohitohina ny fianaran’izy ireo sy ny fanaovany fanadinana noho ny filaharana saika isan’andro mandritry ny andro maromaro manomboka amin’ny 6 hatramin’ny 12 ora. Tezitra sy manjary mihogahoga ireo mpianatra. Aoka mba tekinolojia voafehy hampiasaina fa manalabaraka firenena. Maninona no tsy mpianatra ao amin’ny sampana matematika no antsoina? Tsy azo ihodivirana eo amin’ny rafitra maneran-tany moa ilay LMD ka aoka tsy ilay maka tahaka no hampiharina fa izay tena voafehintsika sy mifanaraka amin’ny zava-misy marina eto Madagasikara, hoy hatrany ny SECES Antananarivo.
J. Mirija
Legende: Ny Pr Sammy Gregoire Ravelonirina