airtel

Fampianarana

28-oct-2021

Fampianarana

Sehatry ny fanabeazana Hifarana amin’ity herinandro ity ny roa volana voalohany

Sample post image

Hifarana rahampitso zoma 29 oktobra ny roa volana voalohany nisantarana ny taom-pianarana 2021-2022 ho an’ireo mpianatra eny anivon’ny sekoly ambaratonga voalohany sy faharoa ary fahatelo ho antsika eto Madagasikara.

28-oct-2021

 Hiditra ao anatin’ny fialan-tsasatry ny Toussaint mantsy ny mpianatra manomboka afaka rahampitso Sabotsy ka hatramin’ny 07 novambra ho avy izao. Raha araka ny fanadihadiana natao teny anivon’ireo sekoly tsy miankina sasantsasany teto an-drenivohitradia fantatra fa vao ny 10%-n’ny fandaharam-pianarana no vita hatreto. Tsy mbola afaka nanoatra loatra ny sekoly hoy ny fanazavana noho ny fampitoviana lenta ny fahaizan’ny mpianatra sy ny famerenana tsy maintsy natao, izay samy takaitra navelan’ny valan’aretina Covid 19 avokoa. Mbola hita taratra izany hoy hatrany ireo mpampianatra nandritra ny fanadinana nampanaovina ireo mpianatra tamin’ity herinandro ity. Mbola betsaka ireo lesona tsy voafolaka na dia efa natao tamin’ny taon-dasa avokoa aza. Hisy moa ny varavarana misokatra hihaonan’ireo mpampianatra amin’ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra amin’ny volana novambra ho avy izao hahafahana mifanome tanana sy manome ny toro-marika rehetra hampahombiazana ireo mpianatra amin’ny fiatrehana ity taom-pianarana vaovao ity.
Pati
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap
24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap