airtel

Fampianarana

25-sept-2023

SEKOLIM-PANJAKANA AO AMBOHIDRAPETO

Nihena 50% ny tahan’ireo mpianatra niditra an-tsekoly

Sample post image

Nihena 50% ny tahan'ireo mpianatra niditra an-tsekoly tamin'ity taom-pianarana 2023-2024 ity ho an’ireo sekolim-panjakana

25-sept-2023

ao anatin’ny kaominina Ambohidrapeto, distrikan’Atsimondrano. Antony maro no mahatonga izany raha araka ny fanadihadiana natao. Lohalaharana amin’ireny ny fahasahiranan’ny isan-tokantrano amin’ny fitadiavana ny haninko hanina isan’andro. Zara raha mahita vola anefa ireo Ray aman-dReny, betsaka ihany koa ny tsy an'asa hany ka tsy ao anaty kajy intsony ny fampianaran-janaka. Eo an-danin’izay mbola tafakatra 40.000 Ar ka 70.000 Ar isaky ny ankizy ny vola tsy maintsy alohan’ny Ray aman-dReny eny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra ankoatra ireo manana zanaka roa na telo indray manovo fahalalana ao amin’ilay sekoly. Ny ankizy sy ny tanora anefa no ho avin’ny firenena sy kitro hifaharan'ny fampandrosoana. Ny mifanohitra tanteraka amin’izay eo an-daniny no zava-misy iainan’ny ankamaroan’ny Malagasy dia ny fanaovana tsinontsinona ny sehatry ny fanabeazana mba hanabadoana ny taranaka ho avy. Ho entina mankaiza ary ity firenentsika ity raha izao no mbola mitohy ? Ankoatra ity kaominina iray moa dia fantatra fa kaominina maro ihany no mahatsapa fa nihena ny tahan’ireo mpianatra niditra an-tsekoly ao aminy tamin’ity taom-pianarana vaovao ity. Pati
Sary fanehoana: Betsaka ireo zaza tsy mbola tafiditra an-tsekoly amin’izao nefa tokony hianatra !
 

Dans la même rubrique