𝗮o 𝗔𝗺𝗽𝗮𝗻𝗶𝗵𝘆 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗲𝗳𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗼 fantatra 𝗳𝗮 nidiran’ny devoly , 𝗲𝗳𝗮 𝗵𝗼 1 𝘃𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗵𝗲𝗿𝘆 𝗶𝘇𝗮o ka voatery 𝗻𝗮𝗮𝘁𝗼 𝗺𝗶𝗵𝗶𝘁𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮. Misy anaran'olona tononon'ireo ankizy ireo miverimberina rehefa mihetsika ilay aretina. Nisy ny fitoriana nataon'ny Ray aman-dReniny nandritra izany ka vehivavy 2 mpianaka no voatazona am-ponja vonjimaika hatramin’ny omaly fotoana nanoratanay. Tsy manaiky ny hamoahana ireo vehivavy ireo ny Ray aman-drenin’ny mpianatra hoy ny vaovao raha tsy sitrana ireo ankizy miisa 20 mahery ireo. Efa niezaka ny nitady vahaolana moa ireo tompon’andraikitry ny sekoly sy ireo Ray aman-dreny fa tsy mety miala ilay devoly, hoy hatrany ny vaovao. Any amin’ny fivavahana izy ireo no miala nenina farany sisa ankehitriny , koa inoana fa hahita vokatra raha tsy milavo lefona amin’izany izy ireo.
Pati
Legende : Entina mivavaka tahaka izao ireo ankizy mpianatra isan’andro
Tontosa ny 14 may teo ny varavarana misokatra ho an’ny oniversiten’i Vakinankaratra,