airtel

Fampianarana

12-sept-2022

Fampianarana

Sekoly ambony IMGAM “Aza miandry tolorana asa fa manangana orinasa”

Sample post image

Niampy 1500 mianadahy indray ireo tanora manam-pahaizana eto amintsika. Tena mila sy mitaky manampahaizana tahaka izany ny firenena Malagasy raha araka ny fanazavan-dRakotoson Martin, filoha tale jeneralin’ny sekoly ambony IMGAM.

12-sept-2022

Tsy vola mantsy no ilaina eto amin’ity firenena ity hoy izy fa olona be hevitra. Olona tia karokaroka afaka hamorona asa ho an’ny tenany izany hoe : ho lasa mpandraharaha ary hanampy ireo manodidina azy. Tahaka izany ireto mpianatra 1500 navoakan’ny IMGAM tamin’ny faran’ny herinandro ireto. Tsy hiandry ny Fitondram-panjakana hanome asa ho azy izy ireo fa avy hatrany dia hiditra eo amin’ny fananganana orinasa ho an’ny tenany avy hatrany ka ho afaka hanolo-tanana ireo tanora namany hafa. Misandrahaka amina sehatra maro izy ireo toy ny asa fanamboaran-trano, ny asa tanana, ny asa fambolena indrindra fa ny fidirana an-tsehatra amin’ny resaka voly fanondrana toy ny jirofo, ny kafe, ny lavanila, ny kabaro ary ny tsaramaaso. Nambaran-dRakotoson Martin, filoha tale jeneralin’ny IMGAM hatrany fa mbola tena malalaka azon’ny tanora Malagasy hivalamparana tsara ireo sehatra ireo saingy ilay fisainana tia karokaroka sy vonon-kiady sisa no andrasana. Tsy tsara ohatra ny miezaka ny manao zavatra tsara hatrany araka izany raha ny nambarany. Raha mametraka drafitra A ny mpianatra iray ka sanatria misy sakana na lavo dia tokony hiarina hatrany ary tsy mijanona raha tsy tratra ilay tanjona. Tsy tokony hisy ny drafitra B hoy izy raha te-ho tafita ny tanora Malagasy iray.
Pati
 

Dans la même rubrique

21-sept-2023

minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ao izao!”

Card image cap