airtel

Fampianarana

20-sept-2023

SEKOLY AMBONY UPRIM

Nandefa mpianatra 8 nanohy fianarana any Chine

Sample post image

Betsaka ireo tanora nahavita fianarana eto amintsika no tsy mahita asa araka ny fahalalana azony akory.

20-sept-2023

Mampiraviravy tanana ny Ray aman-dReny ny fisian’ireny tranga ireny amin’ny ankapobeny noho ny hamaroan’ny vola lany sy ny fahasahiranana maro isan-tsokajiny. Noho izay antony izay indrindra no nanosika ny sekoly ambony UPRIM hanao ezaka ho fanampiana ireo mpianatra ao aminy. Mpianatra miisa 8 mianadahy ho azy ireo no nahazo vatsim-pianarana hanohy fianarana any amin’ny oniversite Xiamen any Chine. Amin’izao fiandohany izao dia mbola mianatra teny Sinoa izy ireo raha araka ny fanazavan’ny filoha tale jeneralin’ny sekoly Rakotovaoarison Haingo Nadia. Aorian’izay kosa dia hanohy ny lalam-piofanana nianarany teo anivon’ny sekoly ambony UPRIM teto Madagasikara ihany izy ireo toy ny gestion et management, ny droit et communication, ny paramedicaux izay ahitana ny fianarana ho infirmiera sy ny mpampivelona ary ny commerce et marketing. Nomarihin’ity filoha tale jeneralin’ny sekoly ity moa fa hatreto dia mbola mahatratra 20 isan-taona ireo zanaky ny sahirana hampianarana maimaim-poana ao amin’izy ireo mandrapahavitan’ny fianarany. Ho fanampiana ny vesatry ny Ray aman-dReny avokoa no anton’izany raha araka ny nambarany indrindra manoloana izao fisondrotry ny vidim-piainana andro aman’alina izao. Amin’ny volana Novambra ho avy izao izy ireo no hiditra ho an’ny taom-pianarana vaovao 2023-2024 ary efa manomboka ny fisoratana anarana.
Pati
Legende : Santionany tamin’ireo mpianatry ny sekoly ambony UPRIM lasa nanohy fianarana any Chine !
 

Dans la même rubrique