airtel

Fampianarana

22-mai-2023

Fampianarana

Sekoly miaramilam-pirenena Hetsika goavana no hanamarihana ny faha 100 taona

Sample post image

Feno 100 taona amin'ny 25 may ho avy izao ny sekoly miaramilam-pirenena eto Madagasikara na ny Anciens Enfants de Troupe,

22-mai-2023

mpianatra nivoaka avy tao amin’ny SE.MI.PI. Ny volana may taona 1923 ny sekoly no niorina voalohany teto Madagasikara ka tetsy Betongolo no toerana nisy azy. Tsy handalo fotsiny izany fankalazana izany ho an'ny AET. Diabe hiala eny Betongolo no hanamarihana izany, anio alatsinainy 22 may maraina, toerana voalohany nisy ny sekoly. Hisy ny fanolorana faneva ny filoha nasionalin'ny AET mandritra izany, lanonana hitohy hatrany Andafy avaratra. Tsy hijanona hatreo izany fa hitohy hatranyAmbositra sy Fianarantsoa ny datin’ny 25 may izay hofaranana amin'ny fiaraha-misakafo lehibe.Tsiahivina moa fa tsy voatery ho miaramila na zandary na polisy ireo mivondrona ao amin’ny AET. Misandrahaka amina antontan'asa maro samihafa mantsy ireo mpikambana rehefa mivoaka ao toy ny mpandraharahara, mpitsara, administratera sivily. Eto Antananarivo moa no ahitana ny fikambanana nasionaly raha efa misandrahaka any amin'ny faritra sy distrika izy.Miantso ireo mpikambana rehetra araka izany ny komity mpikarakara mba ho avy hifanome tanana sy hifanotrona ho fanomezam-boninahitra izany. Marihina fa tamin'ny taona 1766 ny AET no nisy tany La Frantsa tamin'ny andron'ny mpanjaka Louis XVI. Napoléon kosa no nampiditra azy ho ara-panjakana.
Pati
Legende : Nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety nokarakarain’ny komity
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Tsy handalo fotsiny ihany ny fahatsiarovana ny faha-77 taonan'ny tolom-panafahana 1947

Card image cap