airtel

Fampianarana

12-nov-2021

Fampianarana

Sekoly politeknikan’Antananarivo “Mihena toy ny fen’antitra ny mpampianatra raikitra”

Sample post image

Raha 183 ny mpampianatra tamin’ny 2015 dia efa 153 sisa amin’izao fotoana izao, ary mety ho 99 sisa amin’ny 2025, hoy ny Filohan’ny Collège des Enseignements permanents eo anivon’ny

12-nov-2021

 Sekoly ambony Politeknikan’Antananarivo Atoa Raharisolo M. Lasa rafitra “vacataire” daholo ny mampianatra, ary ny hiafaranay, raha izao no mitohy, dia mety ho vitsivitsy sisa ny mpampianatra raikitra any amin’ny 2030 any ho any. Eo anatrehan’izany, voatery ny mpampianatra, manaraka ny fanapahan-kevitry ny SECES eo anatrehan’ny zavatra mitranga. Eo amin’ny lafiny “adminisitratif” eo anivon’ny politeknika, dia mafy tokoa ny miatrika azy. Ilay mpampianatra eo foana, fa ny “vacataire” no mitondra azy, kanefa ireo tsy azo terena loatra rehefa tsy mandray ny tokony ho tambin-karamany izy. Lasa tapatapaka ilay fampianarana, tsy grevy ilay izy fa resaka fangatahana ny karama tsy voaloa. Mitaraina izahay eo anivon’ny fitantanana ao anatiny satria tena mafy ilay izy, hoy hatrany io Filohan’ny Collège des Enseignements io.

Toky R


 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap
24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap