vidim-piainana hany ka na ny fiatrehana ny fidiran’ny mpianatra aza mila tsy ho vita intsony. Raha araka ny fanadihadiana natao teny anivon’ireo sekoly tsy miankina vitsivitsy eto an-drenivohitra dia vao ny 20%-n’ny Ray aman-dReny no nahavita nanavao ny fisoratana anaran’ny zanany na koa nanoratra ny anaran-janany ho an’ny taom-pianarana vaovao 2023-2024. Misy amin’izy ireo no nandoa ilay vola ho famandrihan-toerana fotsiny toy ny droit sy ny frais generaux izay marihina fa nahitana fiakarany hatrany amin’ny 10% ny ankamaroany raha mbola hitadiavana hevitra hafa kosa ny saram-pianarana. Velon-taraina ihany koa ireo talen-tsekoly noho izany. Manahy mafy ny amin’ny hihenan’ny isan’ny mpianatra horaisiny izy ireo raha izao no mitohy. Saika variana sy safotra any amin’ny fitadiavana ny hanin-kohanina isan’andro avokoa mantsy ny rehetra. Ny kely hita aza tsy ampy na dia efa noferana in-droa isan’andro aza sisa no mihinana. Ho an’ireo sekolim-panjakana sasany moa dia ilay hampandoa vola ny Ray aman-dReny no tena mampanahy mafy azy ireo indrindra fa ho an’ireo mbola mampiasa mpampianatra FRAM maro. Tsy mety tanteraka mihitsy mantsy hatreto ilay fampianaran-janaka maimaim-poana eny anivon’ny sekolim-panjakana ka tsy hitan’izy ireo izay hatao.
Pati
(Sary fanehoana)