Ny 70%n’ny lisea eto Madagasikara, hoy izy, dia tsy miankina. Ny 60%n’ny kolejy eo dia tsy miankina. Ny EPP sy ny sekoly ihany izany izao no mitovitovy ny habetsaky ny mpianatra. Tsy sanatria misora-tena izahay fa raha fari-pahatakarana sy fari-pahaizan’ny mpianatra dia ny sekoly tsy miankina hatreto no manana. Hita ho mihena isan’andro nefa ny mpianatra. Raha ny sekoly tantanako manokana izao dia 1200 isa teo ny mpianatra tao anatin’izay 3 taona izay. Amin’izao anefa latsaky ny 700, izany hoe, ny 45%n’ny mpianatra no tsy hita. Marihina anefa fa tsy hoe nifindra sekoly satria ny mpianatray dia manodidina ety daholo fa ny hita dia mirenireny, mitsoaka an-daharana ireo mpianatra sasany. Nandritry ny fihibohana sy taorian’ireny vokatry ny rivodoza ireny dia tsy niverina an-dakilasy intsony ny 5%n’ny mpianatra, izany hoe, isaky ny misy zava-mitranga eto amin’ny firenena dia mihena foana ny mpianatra miditra an-dakilasy. Ny vahaolana apetrakay ary efa teneninay ny tekinisianina foana hoe rehefa misy hevitra tokony hifampiresahana na fakan-kevitra tokony atao dia tokony hiantso ny mpisehatra anaty sekoly tsy miankina fa tsy any dia manapaka fotsiny. Manan-danja lehibe amin’ny fampandrosoana ny fanabeazana ny sekoly tsy miankina ary betsaka izy eto Madagasikara, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija