Mateti-piseho ny fitokonana eny amin’ny anjerimanontolo. Tsy hita ny fanazavana eo anivon’ny seraseran’ity minisitera ity. Tsy mahay misafidy ny mpiara-miasa aminy ve ny Minisitra? Isan’ny fanontaniana mipetraka koa ny hoe maro ny olana ao amin’io Minisitera io fa toa ny Minisitra foana no miatrika ny mpanao gazety sy ireo mpanao fitakiana? Tsy mahafehy ny asany ve ny tomponandraikitry ny serasera ao? Toa ny seraseran’ny fiadidiana ny repoblika indray farany teo no mampahafantatra ny tetiandron’ny vatsimpianarana na “bourse”? Tsy asan’ny tomponandraikitry ny serasera MESUPRES ve izany? Miroso any amin’ny fandraketana an-tsolosaina ny mombamomba rehetra na “digitalisation” ny Ministera kanefa niandry fatratra ny valin’ny Bakalorea ny mpianatra sy ny ray aman-dreny hoe hivoaka anaty tranokalan’ny MESUPRES izany saingy tsy nisy tao. Ny tambazotram-pifandraisana an-tariby indray no namoaka izany. Taiza ny tomponandraikitry ny seraseran’ny minisiteran’ny fampianarana ambony ?
J. Mirija
Nitondra zava-baovao ara-teknolojia antsoina hoe : « ASYNC » na « Asynchrone »