airtel

Fampianarana

22-nov-2023

Sorona ny fampianarana ambony

Mihantsy ny SECES ny Fanjakana

Sample post image

Mihenjan-droa tanteraka ny tady eo amin’ny Sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra

22-nov-2023

na ny SECES Sampana Antananarivo sy ny Fanjakana mpisolo toerana. Niroso tamin’ny fivoriam-be io rantsan’ny SECES io eo anatrehan’ny fanapahan-karama ho an’ireo mpitarika miisa 3, ka naneho firaisankina sy fiombonana tanteraka amin’izy ireo ny mpikambana. Raha tsiahivina dia toromarika avy amin’ny Filoham-panjakana mpisolo toerana Jeneraly Ravalomanana Richard ny fandraisana fepetra hanasazy ny mpitarika ny SECES izay nambara fa efa tsy fitakiana sendikaly intsony fa politika. « Izay mahazo azy ireo dia mahazo anay ihany koa, fa indrindra indrindra tsy eto anivon’ny Sendika ihany no iharan’izany, fa ao anatin’ny « corps »-n’ny mpampianatra amin’ny ambaratonga ambony mihitsy no kitikitihana ka dia taitra izahay, ary mampiseho ny firaisankina », hoy ny Solontenan’ny SECES Sampana Antananarivo. Efa tapaka sy niarahan’ny besinimaro nanaiky araka ny fanapahan-kevitra tamin’ny zoma 17 novambra ny hiverenan hampianatra ary hamarana ny fampianarana ho fijerena ny tombotsoan’ny tanora Malagasy, saingy nihemotra tanteraka izy ireo eo anatrehan’ny antsojay ataon’ny Fanjakana. Efa nisy rahateo ny fanomezana fe-potoana na « ultimatum » nataon’izy ireo hamerenana amin’ny laoniny hatramin’ny alatsinainy novambra tamin’ny 5 ora hariva ny karaman’ireo mpitarika notapahana karama, saingy vao mainka fandrehetana afo no nataon’ny mpitondra. « Indrisy anefa fa tsy nohenoina ny hetaheta, ny HCC aza indraindray miverina amin’ny fanapahan-keviny, omeny ny governemanta tetezamita ny fahefana, dia avy eo indray omany ny Filohan’ny antenimierandoholona, ka dia niverina nanatsahatra tanteraka ny fampianarana indray ny SECES Sampana Antananarivo », hoy izy ireo.
NAMPANANTSOINA NY FILOHAN’NY SECES ANTANANARIVO
Manampy trotraka izany, nampanantsoina teny amin'ny Zandarimaria, sampana misahana ny heloka bevava teny Fiadanana ny filohan'ny SECES Sampana Antananarivo, Pr Sammy Gregoire. Tsy fantatra mazava hatreto ny anton'izay fampiantsoana tampoka izay, fa « ahiahiana » no voasoratra ao anatin’ny taratasin’ny zandary. « Mitohy ny fanaovana ramatahora ny "Corps des Enseignants-Chercheurs et des Chercheurs-Enseignants" Sampana Antananarivo " hoy izy ireo. Tsy ny SECES ihany fa ny rehetra anatin’ny sokajin’asa « mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra », ary miantso ny SECES manerana an'i Madagasikara araka izany izy ireo hifanohana aminy. Ankoatra izay dia nilaza fa hitory any amin’ny Sampan-draharaha iraisam-pirenena momba ny asa ihany koa ny Fikambanamben’ny sendika eo anatrehan’ny ambaran’izy ireo fa fandikan-dalàna ataon’ny Fanjakana satria tena zo sendikaly ny manao fitakiana, ka tokony hanova lalàna izy ireo raha hanao izany, hoy ny fanazavana. Notsipihin’izy ireo ihany koa fa Fanjakana mpisolo toerana sy vonjimaika no sahy sy mahavita manao izany ka tsy azo ekena. Mitohy indray noho izany ny fikatsoana eny Ankatso izay ny Fanjakana no ampangain’ny SECES ho fositra, izay sady tsy mahavaha olana sy manao zinona ny fampianarana ambony no mbola mihantsy ady sy mandrehitra afo. Tena misy lanjany amin’izao fitondrana izao ve ny fampianarana ? Hoentina amin’ny setrasetra avokoa ve ny fiatrehana ny olana sy toe-draharaha eto ? Fampianarana aza efa an-taonany tsy voavaha ny olana mainka fa firenena ?


Manoloana ny toe-draharaha, hifamotoana ao amin’ny Fakioten'ny Siansa Ankatso ny Mpampianatra sy ny Mpianatra rehetra ny Alakamisy 23 novambra 2023 izao araka ny fangatahan'ny solentenan'ny Mpianatra eny amin'ny Oniversiten’Antananarivo.
Toky R


 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Mpampianatra teny anglisy maherin’ny 100 no nandray anjara tamin’ny fiofanana iraisam-pirenena

Card image cap
12-juin-2025

Nasiam-panavaozana ny efitranon- tsekoly maromaro ao anatin’ireo sekoly ambaratonga

Card image cap